Toekarena
FAMBOLENA « MACADAMIA »: Ainga vao ho an’ny fihariana ao Moramanga
Fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny fampisitrahana asa ho an’ny vahoaka eny ifotony. Betsaka ireo dingana sy ezaka efa natao sy mbola hatao hahatrarana izany, toy ny fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina. Tafiditra ao anatin’izay indrindra ny fiarahamiasa amin’ny Koreana, amin’ny fambolena “Macadamia” ao Moramanga.
Hatomboka tsy hoe ela ao amin’ny Distrikan’i Moramanga ny tetikasa fambolena ilay hazo antsoina hoe “Macadamia”. Ity farany izay tsy hafa fa karazan-kazo ahazoana voany, hahavitana zavatra maro toy ny menaka fikojakojana endrika amam-bika, fanafody ary azo atao sakafo ihany koa. « Betsaka ny otrikaina entin’io karazan-kazo io ary azo antoka tanteraka fa hitondra soa ho an’ny Distrikan’i Moramanga ny fambolena azy » hoy ny Dokotera Rajaobelina Lova Herizo, Solombavambahoakan’I Madagasikara voafidy tao Moramanga. Tsy sarotra ny fambolena ity hazo ity, araka ny fanazavana. Telo taona monja mantsy izy io dia ahazoana vokatra ary azo otazana hatrany mandritra ny 70 taona. Fiaraha-miasa eo amin’ny Distrikan’i Moramanga sy ny Koreana, amin’ny alalan’ny orinasa « Bethania Entreprise », solontenan’ny « Huyndai Motors » eto Madagasikara no nahazoana izao tetikasa izao. Tetikasa izay mifanindra an-dalana ihany koa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Tamberin’andraikitra
Araka ny fanadihadiana, firenena maro aty amin’ny tapany atsimon’I Afrika no efa mamboly ny “Macadamia”, ary misitraka tombontsoa maro eo amin’ny lafiny toekarena. Ho an’ny distrikan’I Moramanga manokana, efa nisy fanadihadiana sy andrana mialoha natao nandritra ny dimy taona mahakasika ny fambolena ity « Macadamia » ity. Fantatra nandritra io fa mety amin’ity distrika ity tsara ilay hazo, tsy manimba nofon-tany ary hanampy amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. « Taorian’ny andrana natao, hiroso amin’ny fampiharana manomboka izao. Hanentana ny mponina izahay hamboly ity karazan-kazo ity satria ahazoana tombony noho ny voly hafa izany, no sady tsy manahirana ny mikarakara azy » hoy hatrany ny fanazavan’ny Dokotera Lova Rajaobelina, Depioten’i Moramanga. Etsy ankilany, misy ny karazana tamberin’andraikitra ataon’ny Orinasa tompony tetikasa, amin’ny Distrikan’I Moramanga. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiarahamiasa samy mahazo tombony teo amin’ny roa tonta. Isany fifanarahana eo amin’ny roa tonta ny fanamboarana fotodrafitrasa miantraika amin’ny fiainan’ny mponina andavanandro toy ny fanamboarana sekoly, hopitaly, tohodrano, lavadrano, paompy sy ireo maro hafa ilain’ny mponina mivantana.
Raha ho an’ny vokatra “Macadamia” manokana dia mbola tena malalaka ny tsena, na eto amin’ny tsena anatiny izany na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Antenaina ny hiroboroboan’izany, izay hatomboka ao Moramanga. Ny mponina any an-toerana rahateo milaza ho mankasitraka sy manohana ny fametrahana ity tetikasa ity, ary efa nisy fifampiresahana teo amin’ny ben’ny tanàna sy ny sefo fokontany voakasika.




