Songadim-baovao

BAREA VS COTE D’IVOIRE : Miara-mirona indray manohana ny Barea

Hotanterahina anio ao amin’ny « Stade Olympique Alassane Ouattara d’Ebimpe-Anyama » any Abijdan, ny lalao mandroso, ifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, eo amin’ny taranja baolina kitra. Tafiditra tanteraka amin’ny fifanintsanana Can 2022 ny fihaonana. Ao an-damosin’i Barea avokoa ny Malagasy rehetra, indrindra ny mpitia kitra. Miara-mirona indray amin’ny fanohanana…

Miandrandra fahombiazana ny mpanohana faha-12.

Ho raikitra anio, tokoa ny fihaonan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, hotontosaina ao amin’ny « Stade Olympique Alassane Ouattara d’Ebimpe-Anyama » any Abijdan. Izao fihaonana izao dia tafiditra tanteraka amin’ny fifanintsanana amin’ny Can 2022. Raha ny fandaharam-potoana omaly, tokony ho nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny fihaonana anio, saingy nofoanana izany, noho ny fanajana ny fepetra, isorohana ny mety ho fihanahan’ny valanaretina coronavirus. Mazava, araka izany, fa na i Patrick Beaumelle mpanazatra an-dry zareo Elefanta na Nicolas Dupuis, mpanazatra an’ny Barea, ekipam-pirenena malagasy, dia samy tsy afaka ny hamaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Tonga dia fotoan-goaika, ny fihaonana anio, ka any an-tanim-boanjo no mihaona. Samy manana ny paika sy tetika handresena avokoa ny roa tonta, saingy azo antoka fa manana herijika ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny alalan’ireo mpilalao matihanina. Azo antoka fa hitondra valin-kafatra amin’ity anio ity ireo ekipam-pirenena malagasy, izay mbola tsy nandresy ireto ekipam-pirenena ivoarianina, hatramin’izay nifanandrian’ny roa tonta, raha ady sahala indray mandeha, ny volana jona 2008, raha resy 3 no ho 0 kosa, ny 11 oktobra 2008, nandritra ny fifanintsanana hiakarana amin’ny Can, tamin’izany fotoana.

Vonona tanteraka ny mpanohana…

Irariana ny hisian’ny fifaliana tahaka izao anio.

Marobe ireo mpitia baolina kitra nanontaniana mahakasika ny fihaonana, ary samy nanome ny tombantomban’ny baolina ho faty. Niombonan’ny rehetra hevitra ny handresen’ny Barea an’i Elefanta Côte d’Ivoire. Ho an’i Franco isan’ireo mpankafy ny ekipam-pirenena Barea dia  nilaza « fa mandresy amin’ny salanisa 3 no ho 0 an-dry zareo Ivoarianina ny ekipam-pirenena malagasy ». Ho an’i Zazah indray, dia nilaza mazava fa « ho tery ny elanelan’isa, ka mandresy amin’ny salanisa 1 no ho 0 ny Barea, manoloana ny ekipam-pirenena ivoarianina. Tamin’ireo olona sendra anay, dia nilaza fa ao an-damosin’ny Barea tanteraka amin’io fihaonana io, ary miandrandra fandresena na dia any an-tanin’olona aza ny fihaonana mandroso.

Araka  izany, efa somebiseby tanteraka ireo mpankafy baolina kitra, ny hijery ny lalao, izay mandeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena. Ho an’ny lalao miverina, izay atao eto amintsika, izay any amin’ny kianjan’i Barikadimy, amin’ny faha-17 novambra 2020.  Efa samy tsindrin-daona ny ekipa roa tonta amin’ny fihaonana, kanefa tsy latsak’izany ny mpanohana ny firenena tsirairay avy. I Madagasikara rahateo no mitana ny laharana voalohany ao amin’ny vondrona K misy azy. Manana isa 6 isika amin’izao, raha samy mitana ny laharana faharoa manana isa 3 avy ny Côte d’Ivoire sy Ethiopie.

Efa voaefa ny saran’ny fandefasana

Tiana ny manamarika fa ny fandefasana ny lalaon’ny Barea mandroso sy miverina dia efa nefain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina avokoa, taorian’ny fifampiresahana tamin’ny Kaonfederasiona Afrikanina ny baolina kitra (Caf), izay vola madion’izy ireo. Ankoatra izay, vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Canal Plus ary ny Televiziona malagasy, dia hipetraka ny « Fan Zone » manerana ny Faritra rehetra, mba hahafahan’ny mpiray tanindrazana manohana ny ekipam-pirenena Barea, mandritra ny fihaonana indroa miantoana, ny anio 12 novambra sy ny 17 novambra hoavy izao. Hisy fahitalavitra lehibe hahafaha-manaraka izany eny an-dalambe, amin’ny toerana maro eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra. Isan’izany ny eny Itaosy, Ambohidratrimo, Sabotsy Namehana, ny boriborintany enina eto an-drenivohitra.Ahitana izany  koa any Toamasina, Fianarantsoa, Antsirabe, Miarinarivo, Moramanga, Maevatanàna…

 

 

Fermer