
Trangam-piaraha-monina
TAMBAJOTRAN’ASA MAMOAFADY : Tovovavy sivy indray voasambotry ny Zandary
Ravan’ny zandary afakomaly ny tambajotran’asa mamoafady, niseho tany Antsirabe. Vehivavy miisa sivy no indray sarona, ka Ramatoa iray no atidoha, raha ny ambiny kosa, nampanaovina ilay asa mamoafady. Nahitana tovovavy tsy ampy taona tamin’izy ireo…

Tovovavy miisa valo ka tsy ampy taona ny iray sy Ramatoa iray, izay ao anatin’ny asa mamoafady amin’ny tambajotra an’habaka no indray tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny, ny harivan’ny 10 novambra, tao Mahazoarivo Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Ramatoa iray ansoina hoe Charline mipetraka ao Mahazoarivo Antsirabe no atidoha mikotrika nampanao ity asa ratsy ity, ka nanangona tovovavy tsy ampy taona, nanatontosa ny asa fivarotan-tena, amin’ny alalan’ny « internet ». Rehefa nahazo angom-baovao ny avy amin’ny Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Antsirabe, izay zandary andriambavilanitra, dia nanadihady ifotony, araka ny fahazoan-dalana avy tamin’ny Fitsarana. Tovovavy miisa valo no indray tra-tehaka nanao ny asa ratsiny, miboridana mivarotena, samy eo anoloan’ny ordinatera enti-tanana tsirairay avy, miaraka amin’ny fitaovana mamoafady. Marihina fa nisy tsy ampy taona ny iray tamin’ireo tovovavy nanao ny asa mamoafady, tamin’ny alalan’ny aterineto.
Natao andrimaso…
Nofandrihina, avy amin’ny alalan’izy ireo Ramatoa Charline ka voasambotra koa. Notanana natao andrimaso avokoa izy ireo, nogiazana ireo ordinatera enti-tanana miisa 10 ary ireo fitaovana mamoafady fampiasan’izy ireo. Tiana ny mampahatsiahy fa voararan’ny lalàna velona ny fivarotan-tena na fivarotana fahafinaretana ara-nofo tsy nahazoana alalana. Ny fanararaotana ara-nofo noho ny fanerena ankolaka na mivantana. Tafiditra ao anatin’izany ny fampivarotan-tenan’olona mivantana na ankolaka, izay manimbazimba ny maha olona. Ny fampiasana sy fanararaotana ara-nofo ny zaza tsy ampy taona, na dia an-tsitrapony aza, na ankolaka na mivantana, dia sazin’ny lalàna velona. Ny asa ratsy mamoafady natao an’habaka na an-tsary na horonantsary, misy tambiny ara-bola na tsia.
Tato ho ato, mirongatra ankehitriny ny asa fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona. Ny endrik’asa mamoafady toa izao sarona izao no antony iray mahatonga ny filan-dratsin’ireo tsy mataho-tody, indrindra fa amin’izao fotoana mampiroborobo ny teknôlojia izao. Mba hiadiana amin’izany dia sahia mijoro, sahia mitoroka. Tsy azo ajanona fotsiny hoe ny fahantrana no manosika ny zaza hivaro-tena sy mamoafady. Aoka hanana fitondran-tena mendrika, mba hitondra mankany amin’ny fandrosoana. Nisaorana manokana ny loharanom-baovao nahafaha-nisambotra ilay atidoha mikotrika satria manimbazimba ny maha olona tokoa, vokatry ny fitiavam-bola.




