Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

FIFANINTSANAN’NY CAN 2022 : Mila miady mafy ny Barea amin’ny lalao miverina

Raha tiana ny hitazona ny voalohany ao amin'ny sokajy K, mila mandresy ny Barea, amin'ny lalao miverina. Araka izany, ho mafy ny lalao miverina afaka dimy andro ho an'ny ekipam-pirenena malagasy satria lavon'ny ekipam-pirenena ivoarianina tamin'ny isa 2 no ho 1 ny Barean'i Madagasikara nandritra ny fihaonana notanterahina tao amin'ny Stade Ouattara d'Ebimpe- Anyama tany Abidjan, omaly.

2 no ho 1. Io no valin’ny lalao mandroso nihaonan’ny Barean’I Madagasikara sy ny Elefantan’I Côte d’Ivoire, ao anatin’ny lalao fifanintsanana isam-bondrona hiakarana amin’ny fiadiana ny tompondakan’I Afrika taona 2022. Niady tanteraka ny lalao, na dia hita ho somary nanindry ihany aza ry zareo Ivorianina tamin’ny fizaram-potoana voalohany. Nahazo “Coup Franc” tsara fipetraka ihany koa isika malagasy teo amin’ny minitra faha-24 izay nodakan’I Carolus, saingy mbola voasakan’ny mpiandry tsatokazo Ivorianina izany, na dia nifanandrify tamin’ny mason’arato ivorianina aza.

Nandritra ny fizaram-potoana faharoa vao niezaka nampiasa ny tetikadiny ny mpanazatra roa lahy. Nitondra vokatra tsara ho an-dry zareo ivoarianina izany, satria telo minitra taorian’ny fidirana voalohany, nitoko avy hatrany ny mpampianatrano. Baolina tafiditr’i K Gervinho Yao, teo amin’ny minitra 48. Nisy, araka izany, fanoloana mpilalao notanterahin’i Patrick Beaumelle mpanazatra ny ekipam-pirenena ivoarianina, izay nampidirana an’i Sébastien Haller. Nahitam-bokatra io satria nahatafiditra baolina izy, teo amin’ny faha-54 mn. Niezaka nitondra valin-kafatra ry Carolus sy ry Bolida, niaraka tamin’ny ry Rayan sy ry Voavy Paulin, mba hanenjehana ny isa. Nahitam-bokany izany, satria nisy tolotra tsara azon’i Voavy Paulin tao anatin’ny faritra tsy azo ivalozana, niampy ny fitapitaka mahazatra azy. Vokany, nikobana ny haraton-dry zareo ivoarianina. Niezaka nanenjika ny isa hatrany ny Malagasy na dia tany an-tanin’olona aza, saingy mailo tanteraka ny mpanazatra an-dry zareo ivoarianina, ka niezaka nampiditra ireo mpilalao fiandriny rehetra ny mpanazatra ivoarianina.

Namiratra I Rayan Raveloson

Henjakenjana ny fifandonan’ny ekipa roa tonta tany amin’ny fiafaran’ny lalao, nanaporofo izany ny samy nahazoan’ny roa tonta karatra mavo iray avy, ny faha-81 sy faha-88 minitra. Azo heverina fa mifandanja ny lalaon’ny roa tonta, ary antenaina ny hisian’ny valin-kafatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy mandritra ny fihaonana miverina ny talata 17 novambra hoavy izao, izay hotontosaina ao amin’ny Kianja Stadium Barikadimy Toamasina. Isan’ireo mpilalao nisongadina nandritra iny fihaonana iny, i Rayan Raveloson, ekipan’ny Barea raha ny nambaran’ireo mpitantara baolina mivantana. Saika tao amin’ity irakiraka Malagasy ity avokoa mantsy no niainga ny fanafihana rehetra. Ary lasa nanaovan’ny Ivaoriana andrimaso tanteraka manokana ka nahavoadoana azy matetika.  Tiana ny manamarika fa saika nihemotra antsasakadiny mialoha ny tena fanombohana ny lalao, vokatry ny ora-mikija tany an-toerana. Tombanana hisy ny herijika handresen’ny ekipam-pirenena barea an-dry zareo ivoarianina, raha ny fizotran’ny lalao omaly.

Samy manana isa enina

Hatreto izany, raha ao amin’ny vondrona misy antsika manokana dia samy manana isa enina I Madagasikara sy I Côte d’Ivoire. Ny fandresena roa sy faharesena iray azontsika no mahatonga io isa enina io, raha tsiahivina. Izany hoe, samy mitarika vonjimaika eo amin’ny laharana voalohany ireto ekipa roa ireto. Mbola manana herijika hiakarana any amin’ny Can 2022 araka izany isika Malagasy satria mbola misy lalao 3 hatrehina, izay itadiavana isa 4 monja. Izany hoe, mila mandresy in-dray sy manao sahala in-dray dia tafiakatra isika. Tsara ho fantatra fa amin’ny volana marsa no hihaona amin’ny Ethiopie ny Barea.

Tsy kivy ny mpanohana…

Vory lanona tamin’ny faritra maro teto amintsika ireo mpitia kitra omaly. Niavaka kosa ny tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely izay nisy ireo fahitalavitra lehibe roa, nahafahana nanaraka ny lalao. Faly ny Malagasy. Ary efa niandrandra fandresena tokoa. Na izany aza, ambony ny fanantenana ho an’ireo mpanohana, araka ny fanadihadiana. Tsy kivy, ary manantena fandresena amin’ny lalao miverina. Tsy ny teto andrenivohitra ihany no nisy izany fiarahana nijery baolina izany fa saika nanerana ny faritra rehetra teto Madagasikara, indrindra ireo nametrahana ny écran géant”, toy ny tao Mahajanga.

Fermer