SamihafaSosialy

FANATSARANA NY FANABEAZANA : Notokonana ny Epp Tanjondava Talatamaty

Hahazaka mpianatra hatramin’ny 600 raha toa ka 276 izany teo aloha ny EPP Tanjondava etsy Talatamaty, ao amin’ny Cisco Ambohidratrimo, manomboka izao. Ity Sekolim-panjakana ity izay vao nohavaozina hatrany ifotony ary notokanana omaly. Efitra enina, izany hoe, telo ao amin’ny rihana ambony, ary telo ao amin’ny rihana ambany no napetraka ao amin’ity Epp ity.  Fiarahamiasa tamin’ny Vondrona Filatex no nahafahana namita ny fotodrafitrasa, ka ankoatra ny trano dia nanolotra dabilio miisa 100, fanafody hanarahana ny fahasalaman’ireo mpianatra eny amin’ny CSB II, manampy ny trano fisakafoana an-tsekoly, fitaovana fidiovana, ary zaridaina an-tsekoly ihany koa ity mpiara-miombon’antoka ity. Tanjona ny hanohanana ny Fitondram-panjakana hahatontosa ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara eo amin’ny lafiny fanabeazana, araka ny nambaran’ny Talen’ny RSE eo anivon’ny Vondrona Filatex, Tanteraka Rakotoarisoa. Ity farany izay nanamafy fa tsy asa sosialy no ataon’ny Vondrona Filatex, fa fanohanana ny Fanjakana mihitsy amin’ny asa fampandrosoana eto amin’ny tany sy ny firenena. Tsara marihana fa tsy vao sambany ity mpiara-miombona antoka ity no nanampy tosika ny sehatry ny fanabeazana fa efa nisy koa ny asa natao tao amin’ny Epp Ivandry, Ambatolampy tsimahafotsy, ary Andrefana Ambohijanahary.

Tetsy ankilany, nanamafy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, nandritra ny fitokanana fa mifanojo tanteraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena sy ny Fitondram-panjakana amin’ny ankapobeny izao hetsika izao, izay miompana amin’ny fanomezana fanabeazana tsara kalitao ho an’ny zaza malagasy, na aiza na aiza misy azy eto Madagasikara. Nanipika ihany koa ny Minisitra fa hitondra fanantenana betsaka ho an’ny mponina eo Talatamaty izao fanavaozana izao satria handray ireo mpianatra amin’ny fokontany telo manodidina, ahitana an’i Tanjondava, Amboropotsy ary Ankadivory.

Fermer