PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA LOHOLONA: Tapitra hatreo ny adihevitra momba ny mpifidy vaventy sy ny toetrandro

Hevitra entin’ny avy amin’ny fanoherana hitsikerana ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra 2020 izao ny filazana fa mbola tsy feno ireo mpifidy vaventy. Mazava ny didy navoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana mahakasika ny fiantsoana ny mpifidy sy mahakasika ny resaka Loholona, hoy Jean Eric Rakotoarisoa, Filohan’ny HCC. Araka ny lalàna, ny mpifidy vaventy dia ireo olom-boafidy rehetra any amin’ny vondrom-paritra hitsinjaram-pahefana. Ny olom-boafidy amin’izao fotoana izao, anefa, dia mbola eny anivon’ny Kaominina ihany. “Ireo ihany izany aloha no afaka mifidy amin’ny fifidianana Loholona”, hoy izy. Nambaran’ity tompon’andraikitra ity fa efa tamin’ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahatelo no namaritra fa tokony ho olom-boafidy ny any amin’ny faritra. Saingy hatramin’izao mbola tsy vita izany. Izany indrindra no mahatonga ny mpifidy vaventy ankehitriny hijanona amin’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna ihany.

Fotoam-pahavaratra

Tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona amperinasa dia tsy maintsy hirosoana ny fifidianana, ny lalàna vaovao no mamaritra izany”, hoy fanazavany. Tsy misy resaka toetrandro io, araka ny nambarany, fa tsy maintsy hajaina ny lalàna. “Tsy mahalala firenena aho hoe tsy manao fifidianana amin’ny fotoam-pahavaratra… Ny olona rehetra mahavita, koa maninona isika Malagasy no tsy mahavita”, hoy izy. Niaiky ny Filohan’ny HCC fa mety ho sarotra kokoa ny mikarakara ny fifidianana amin’ny vanim-potoam-pahavaratra noho ny amin’ny vanim-potoana hafa. Saingy nilaza kosa izy ny tokony handraisan’ny mpikarakara fifidianana fepetra mifanaraka amin’ny toetrandro sy ny vanim-potoana, mba hahatanteraka izany amin’ny antsakany sy andavany. “Ny lalàmpanorenana tsy miteny mihitsy hoe tsy azo atao amin’ny fotoam-pahavaratra ny fifidianana”, hoy hatrany izy.

Fermer