Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
TOAMASINA : Vonona handray ny lalaon’ny Barea sy ny Elefanta
Anisan’ny lalao goavana voalohany, ho raisin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana ny lalao miverina eo amin’ny Barea sy ny Elefanta, atao ny 17 novambra ho avy izao. Omaly, nilaza ny Ben’ny Tanàna ny Toamasina, Rakotonirina Nantenaina sy ny mpiara-miasa aminy, fa vonona tanteraka izy ireo, miaraka amin’ireo mponina ao an-toerana, handray io lalao io. Vokatry ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitondra fanjakana, nanambara ny Ben’ny tanàna, fa hisy ny fahitalavitra lehibe miisa telo hatokana hijeren’ireo mpankafy kitra ka samy hisy iray avy eo anoloan’ny Lapan’ny tanàna sy ny Lisea Teknika ao an-toerana. Tetsy ankilany, manentana sahady ireo mpitia kitra sy ireo mpankafy ny ekipam-pirenena malagasy rehetra ny tenany mba hanohana ny Barea.
Nohamafisiny fa tsara raha anaty filaminana hatrany no hanantontsan’ireo mpankafy izany fanohanana ny ekipam-pirenena izany. « Marihina fa hisy hatrany ny fanajana ireo fepetra hisorohan’ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 », hoy izy. Natsidiny nandritra io omaly io koa, ny fahavononan’ireo fotodrafitrasa rehetra ao an-toerana handraisana io lalao io. Tafiditra anatin’izany ny kianja ao Barikadimy, izay kianja vao naorin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Efa vonona tanteraka ihany koa, ireo hotely handraisana ireo mpilalao rehetra ho tonga any an-toerana, raha ny fanazavana.




