PolitikaSongadim-baovao
DEPIOTE TIM : Nikasa hanao amboletra tao Antsirabe indray
Nanararaotra ny andro tsena eo an-tampon-tanànan’Antsirabe ireo parlemantera avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara, ka nikasa ny hanatanteraka famoriam-bahoaka mora foana. Tsy izany anefa ny zava-nitranga, fa olom-bitsy sy olona tsy rototra akory tamin’izay antsoantso nataon’izy ireo no nameno ny tanànan’Antsirabe ny sabotsy teo. Toy ny fanaony tany amin’ny toeran-kafa, nikasa ny hiditra tao amin’ny faritry ny Magro ireto parlemantera mpanohitra ireto. Nitarika azy tamin’izany ny Depiote lany tao amin’ny distrikan’Antsirabe I, Jean François Michel, niaraka tamin’ireo solombavambahoaka TIM namany, sy ireo Loholona TIM. Nosakanan’ny mpitandro filaminana anefa izany, noho ny tsy fahazoan’izy ireo alalana. Isika rahateo mbola anaty vanim-potoan’ny valanaretina. Rehefa tsy nahazo rariny tamin’ny mpitandro filaminana ireto mpitarika TIM ireto dia nanohy ny hetsika teny andalambe avy hatrany, tamin’ny alalan’ny diabe. Mazava ho azy, mbola tsy nahazoana alalana ihany koa izany ka noravan’ny mpitandro filaminana, niaraka tamin’ireo olom-bitsy mpanara-dia azy ireo.
Famoriam-bahoaka
Haratsiam-panahy. Io no azo handikana izao fihetsika ataon’ny depiote TIM manerana ny Faritra maro eto Madagasikara izao. Ekena ny maha depioten’I Madagasikara azy ireo. Saingy tsy tokony hafangaro ny tatitry ny asa amin’ny maha parlemantera azy ireo, sy ny famoriam-bahoaka amin’ny maha avy amin’ny fanoherana azy ireo. Ny zavatra tsapa anefa dia hampiasain’ny depiote mpanohitra hanaovana amboletra isaky ny toerana rehetra halehan’izy ireo io toerana maha Solombavambahoaka io, ka entina hanindrina ireo mpitandro filaminana sy tompon’andraiki-panjakana rehetra any amin’ny toerana maro. Na izany aza anefa, raha ho an’Antsirabe manokana, efa tsapa ho tonga saina ny vahoaka. Efa mihena ny herin’ny TIM ao an-toerana, raha ny zava-nisy ny sabotsy teo fotsiny no asian-teny.
Ny Fanoratana.




