SamihafaSongadim-baovaoSosialy
ANTONTANISA COVID-19: 76 ireo sitrana tao anatin’ny herinandro
Ny fivoaran’ny antontanisa nanomboka ny 08 Novambra ka hatramin’ny 13 Novambra indray no nivoaka ny faran’ny herinandro teo. Fantatra nandritra izany fa niisa 76 ireo sitrana tamin’ny aretina.
Araka ny antontanisa nivoaka farany, niisa 76 indray ireo olona sitrana soamantsara tamin’ny tsimokaretina Coronavirus ny herinandro teo, teto Madagasikara. Isany nahitana betsaka ireo sitrana ny tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro, satria ny 33 tamin’ireo dia tao an-toerana avokoa. Nanaraka azy kosa ny faritra Diana, izay nisy sitrana 12. Na izany aza anefa, mbola nisy tranga vaovao mitondra ny Covid-19 niisa 87 ihany koa hita tamin’ireo olona 993 notiliana. Anisany mbola nahitana betsaka tamin’izany ny teto Analamanga izay nisy tranga vaovao 37. Nanaraka azy kosa ny Faritra Matsiatra Ambony, izay nisy tranga vaovao 24. Ireo tarehinamarika ireo izay manome ny salanisa ho 8,76% amin’ny tahan’ny fiabon’ny fitiliana. Midika ireo tarehimarika ireo fa mbola miriaria eny rehetra eny ny aretina ka ilana ny fahamalinan’ny tsirairay. Hatreto izany, mbola miisa 468 ireo mbola manaraka fitsaboana eto Madagasikara.
Raha ny tambatrisa kosa no jerena, tafiakatra 17 310 ny fitambaran’ireo olona voamarina fa nitondra sy mbola mitondra ny Covid-19 teto Madagasikara. Tafiakatra 16 592 kosa ny fitambaran’ireo efa sitrana soamantsara. Tsara marihana fa nisy olona iray lavon’ny valanaretina ny herinandro lasa teo. Araka izany, tafiakatra 250 ireo namoy ny ainy tamin’ity valanaretina ity teto amintsika.




