PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ORINASA JIRAMA : Mitohy ny fandikan-dalàna efa nataon’ny mpitantana nifandimby
Ankoatran’ny fahatapahan-jiro, fahatapahan-drano, halafon’ny faktiora, sy ireo anton-javatra maro mampitaraina ny mpanjifa amin’ny orinasa Jirama, fantatra ihany koa amin’izao fotoana izao fa misy fitantanana tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny ataon’ny mpitantana ity orinasa ity amin’ireo mpiasa ao aminy. Misy ireo efa voaroaka tamin’ny asany, ary tsy mbola noraisin’ny mpitantana hatramin’izao, na dia nahazo rariny tamin’ny fitsarana sy ny minisitera tompon’andraikitra aza…
Ny taona 2015, nandritra ny fotoam-piasan’ny fitondrana teo aloha, nisy ny fifanarahana teo amin’ny orinasa Jirama sy ny orinasa vahiny iray, izay tsy neken’ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama noho ny tsy tokony hanomezana ny tsy miankina an’i Mandroseza sy i Vohibe. Nisy ny hetsika natao tamin’izany, saingy nitady ny fomba rehetra ny mpitantana ny Jirama sy ny Fanjakana tamin’izany mba tsy hahalavorary ny fitakian’ny sendika. Teo anatrehan’izany, niharan’ny fanafoanana fifanarahana arak’asa avy hatrany ny mpitarika ny hetsika, isan’izany Andriamanalimanana Mamitiana Oliva, izay nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny Jirama, sy Andriamihaja Tovonirina, mpitarika sendikaly eo anivon’ny Jirama. Nitohy hatrany amin’ny fitsarana ny raharaha, ary nahazoan’ireto farany rariny tamin’ny tsy tokony andoavana ny onitra, ary koa, ny amin’ny tokony hahafahan’izy ireo miverina mandray ny asan’izy ireo avy, eo anivon’ny orinasa Jirama, araka izay efa voalazan’ny andininy faha-13, ao amin’ny lalàna laharana 2003-044, mifehy ny asa eto amintsika. Tsy nampiharin’ny mpitantana ny Jirama tamin’izany anefa izany.

Fanapahan-kevitry ny Minisitera tompon’andraikitra
Etsy ankilany, nisy ny fampiakarana nataon’ny mpitantana ny Jirama ankehitriny, teny anivon’ny fitsarana mpandrava didy, mahakasika ny fanapahan-kevitra momba ny fiverenan’ireto mpiasa ireto amin’ny asany eo anivon’ny orinasa. Mbola tsy nahazo rariny ihany anefa ny mpitantana ny orinasa ankehitriny, araka ny fanapahan’ny fitsarana tamin’ny 14 Jona 2019. Manoloana ity fifandroritana eo anivon’ny mpitantana sy ny mpiasa voaroaka ity, namoaka fanapahan-kevitra laharana 200/2020 ny minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’afo, izay mpiahy ny orinasa Jirama, tamin’ny 09 Oktobra 2020. Fanapahan-kevitra izay manamafy ny tokony hiverenan’ireo mpiasa eo anivon’ny orinasa. Efa nisy ny taratasy mahakasika izany nataon’ireto mpiasa voakasika, nalefa tany amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany, ao amin’ny Jirama.
Hatreto anefa, mbola tsy nisy tohiny izany. Antony hanaovan’ireto mpiasa ireto antso ho amin’ny tokony hanatsaharana ny tsy fampiharana didim-pitsarana sy ny fandikan-dalàna eo anivon’ny Jirama. Miantso ny minisiteran’ny asa ihany koa ireto mpiasa ireto mba hijery akaiky ny fanitsakitsahana ny lalàn’ny asa izay nataon’ny mpitantana nifandimby. Noho ny tsy fampiharana ireo didim-pitsarana miverimberina dia miantso fandraisana andraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana ihany koa izy ireo. Farany, manoloana ny tsy fanajana ny fanapahan-kevitry ny minisitera tompon’andraikitra dia miantso ny Primatiora ihany koa ireo mpiasa ireto mba hijery akaiky ny toe-draharaha ho fampiharana ny tany tan-dalàna.



