Songadim-baovaoToekarena

FAMPIROBOROBOANA NY TOEKAREN’NY FARITRA : Hotanterahina ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra andiany voalohany

Fitaovana iray tsy azo ihodivirana amin’ny fampivoarana an’I Madagasikara ny diplaomasia ara-toekarena. Ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no lohalaharana amin’izany ho antsika, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena azy. Tafiditra ao anatin’ny andraikitr’ity minisitera ity tanteraka, noho izany, ny fanatanterahana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra andiany voalohany eto Madagasikara. Ny 26 ka hatramin’ny 28 Novambra izao no ho tanterahana ity hetsika lehibe ity, ka ny Faritra Analamanga no hisantatra izany. Amin’io andiany io, etsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Analakely no hatao ny hetsika. Mifandrimbona amin’izany kosa ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga.

“Anisan’ny tanjona lehibe hikarakarana ity hetsika ity ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena eo anivon’ny Faritra tsirairay ary ny fampitomboana ny fandraisana anjaran’ireo mpiara-miombona antoka avy any ivelany, amin’ny alalan’ireo Masoivoho misolo tena azy ireo eto amintsika, amin’ny fampandrosoana isam-paritra”, hoy ny fanazavana.

Haharitra telo andro, araka izany, ny hetsika eto amin’ny Faritra Analamanga, ary hiseho amin’ny endrika maro izany. Araka ny fanazavana, hisy ny trano heva miisa 70 hampirantiana ny mampiavaka an’Analamanga eo amin’ny sehatra maro samihafa. Hisy koa loabary andasy hiarahana amin’ireo minisitera hafa sy ireo mpiara-miombona antoka, hifanankalozan-kevitra momba ny fampandrosoana ny Faritra Analamanga.

Fermer