Trangam-piaraha-monina
DISTRIKAN’ANTSOHIHY : Omby 18 tafaverina tamin’ny tompony, takalon’aina iray avotra soamantsara
Vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny fokonolona, avotry ny zandary soamantsara ny takalon’aina iray niaraka tamin’ireo omby niisa 18, tamin’ireo 22 nambara fa lasan’ireo dahalo, ny 14 novambra lasa teo. Araka ny tatitra teo anivon’ny zandary, ny 13 Novambra teo, tamin’ ny 11 ora sy sasany alina no nisy nampandre ny Borigady Analalava fa noravain’ny dahalo roa lahy nitondra basy lava iray ny ombin’ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Manajiro Boucher tao Andohan’ny Varikely, Fokontany Varikely, ao amin’ny Kaominina ambonivohitra iray, Distrikan’Analalava. Ary nisy ny filazana fa lasan’ireo dahalo koa ny mpiambina ireo omby. Avy hatrany, tsy niandry ela ireo zandary niaraka tamin’ireo Polisy tao an-toerana fa nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Nandritra izany no nahafantarana fa nihazo ny ala honko sahabo ho 03 kilometatra andrefan’ny Fokontany Antafiandakana, Kaominina ambanivohitra Ankerika, Distirikan’Antsohihy ireo jiolahy nirongo basy. Ireto farany izay tsy nahita hirika intsony raha nikasa ny mbola hitondra ireo omby ihan’atsimo satria efa nifanakaiky ny elanelan’izy ireo sy ny mpitandro filaminana nanao ny fanarahan-dia. Nisy ny fepetra noraisina ka nahetsika avy hatrany ireo zandary ao anatin’ny hetsika fampandriana fahalemana ao amin’ny faritra Anahidrano izay notarihan’i kapiteny, komandin’ny saiholafy faha 45 Antsohihy ka nampiandrasina ireo kizo. Nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka bala niisa efatra no nampiasan’ireo zandary nandritra izany. Vokany, nitsoaka nanalavitra ireo zandary ireo dahalo ary navotsitr’izy ireo ilay takalon’aina iray. Rehefa natao ny fisavana ny ala honko, saron’ireo zandary tao ny omby niisa 18 tamin’ireo 22 voalaza. Amin’izao fotoana, mbola manao haza lambo ireo olon-dratsy ireto farany ary nilaza fa tsy hilefitra velively amin’ny tranga toy izao.



