Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FIFANINTSANANA CAN 2022: Tsy nitsanga-menatra ny Barea teo anatrehan’ny Elefanta
Iray no ho iray. Io no valin’ny lalao miverina nifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy ny Elefantan’I Côte d’Ivoire ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona hahazoana ny tapakila mankany amin’ny Can 2022, hatao any Cameroun. Tsy nitsanga-menatra ny Barea na teo aza ny traikefa sy ny fahaiza-manao nananan’ny Elefanta. Ary mbola tsara toerana ihany koa ao anatin’ny Vondrona K.
Anisany lalao nandrasan’ny ankamaroan’ny Malagasy fatratra ny lalao miverina nifanandrinan’ny Barea sy ny Elefanta Ivorianina, notontosaina tany amin’ny Kianja Barikadimy Toamasina, omaly. Na teo aza ny ady mafy nataon’ireo ekipa malagasy, nisaraka ady sahala iray no ho iray (1-1) ny fifanandonana teo amin’ny roa tonta. Nanokatra ny isa ny Ivorianina teo amin’ny minitra faha-13 tamin’ny alalan’ny penalty nodakan’ilay mpilalao fanta-daza F.Kissié. Io isa io no nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra. Nandritra ny fidirana faharoa kosa, nivaly ny ezaka nataon’ny Barea ka matin’i Ibrahim Amada teo amin’ny minitra faha-51 ny baolina tokana nentina nanasahalana ny isa. Marihina fa ity farany no nisalotra ny Kapitenin’ny Ekipam-pirenena io omaly io.
Mbola tsara toerana
Nisy ireo Malagasy no diso fanantenena kely ihany tamin’iny vokatra omaly iny. Betsaka ireo niandrandra ny handavoan’ny Barea ny Elefanta teto amintsika ka tsy nanampo loatra ny ady sahala. Tetsy ankilany, nilaza ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis fony mbola tany Abidjan fa tsara ho an’ny Barea ny lalao sahala aty amintsika. « Lalao bojy ny fifanandrinantsika amin’ny Elefanta satria hiaraha-mahalala ny tantaran’ny baolina kitra nisy teto Afrika hatramin’izay », hoy izy. Tsy midika ho faharesana manolona ny Elefanta izany, raha ny nambarany, fa ilaina ezaka mafy ny lalao hifanandrinana amin’ny Ethopia sy Niger amin’ny taona 2021. Araka izany, ireo lalao amin’ny taona ho avy ireo no hamaritra ny lalan’ny Barea amin’ny CAN 2022 izay tontosaina any Cameroun.
Azo lazaina ho tsara toerana hatrany ny Barea eo amin’ny fifanintsanana isam-bondroana amin’izao fotoana. Hatreto, samy manana isa fito na i Madagasikara na ny Ivorianina, saingy manatombo kosa ny Elefanta amin’ny isan’ny Baolina matiny, tamin’ny fihaonan’ny roa tonta.




