PolitikaSongadim-baovao

TATITRY NY KAOMISION’NY HCJ : Nahemotra amin’ny lahadinika manaraka

Omaly 17 Novambra 2020 no voafaritra, araka ny lahadinika efa notapahana teo anivon’ny Antenimieram-pirenena fa hanaovan’ny kaomision’ny Fitsarana Avo tatitra mahakasika ny asan’izy ireo, eo anatrehan’ny Solombavambahoaka, mandritra ny fivoriana azon’ny besinimaro atrehina. Tsy tontosa anefa izany raha ny andron’ny omaly. Antony, araka ny nambaran’ny mpampakateny, avy eo anivon’ity Kaomisiona ity, ny Solombavambahoakan’i Vondrozo Andrianambinina Johary Li,  dia noho ny mbola tsy nahavitan’izy ireo ny fandinihana ireo dosie rehetra amin’ny antsipiriany. Izany hoe, ny asa rehetra tokony ho mbola nataon’ny Kaomisiona mihitsy no mbola tsy vita daholo, ka nangatahan’izy ireo ny fanemorana izany amin’ny lahadinika manaraka. Teo anatrehan’izany, tsy maintsy nentina teo anatrehan’ireo depiote rehetra nanatrika ny fivoriana ny fangatahan’ny Kaomisiona ny fanemorana indray ny tatitra. Lany tamin’ny alalan’ny tsangan-tanana izany, ka mihemotra amin’ny lahadinika manaraka.

Na izany aza anefa, nilaza ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine fa tokony ho ato anatin’ny fivoriana  ara-potoana ihany no handinihana sy hanaovan’ny Kaomision’ny Fitsarana Avo ny tatitra. Tetsy ankilany, nilaza ireo depiote fa tsy tokony ho olana ny fanemorana indray ny fandinihana ireo antontan-taratasy ireo satria zava-dehibe loatra ny mahakasika ny tokony hanjenehana olona ambony iray na tsia. Aleo, hoy izy ireo, ny fotoana handinihana ny antontan-taratasy no mihemotra, toy izay diso amin’ny mety ho fanenjehana olona na tsia.

Fermer