PolitikaSongadim-baovao

VELIRANON’NY FILOHA : Natomboka ny fanatanterahana ny tetikasa « Miami »

Natomboka omaly tao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana ny dingana voalohany amin’ny tetikasa « Miami », izay anisany velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika tao Toamasina. Dingana voalohany izay miompana amin’ny fanajariana ny tapany avaratra, manomboka amin’ny Hopitaly Be mifarana eo amin’ny Neptune, izay mirefy 560 metatra.

Ao anatin’izao dingana voalohany izao, hisy ny fametrahana rarivato mirefy 800 metatra izay manaraka ny endriky ny sisin-dranomasina, ary hiaro ny fotodrafitrasa amin’ny onjan-dranomasina sy ny rivo-doza. « Hajariana tanteraka ny moron-dranomasina hahafahana mametraka ny fototra ijoroan’ireo fotodrafitrasa: dia ny « jardin des amoureux », ny « skate-park », ny fanaovana fanatajahantena ankalamanjana, sy ny tapany voalohany amin’ny toerana hipetrahan’ireo mpivarotra voanio », araka ny fampitam-baovao.

Araka ny fanazavana hatrany, haharitra dimy volana ny fanatanterahana ity dingana voalohany ity, ary aorian’izay, dia hitohy avy hatrany amin’ny dingana faharoa hatrany amin’ny dingana fahefatra farany. Nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina fa ankoatra ny fanatsarana ny endriky ny tanànan’i Toamasina dia natsangana ity tetikasa Miami ity mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany izay isan’ny fanoitry ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara. Notsiahivin’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ankoatran’ireo fotodrafitrasa ireo dia omena sehatra manokana ny varotra fampirantiana ny asa tanana vita malagasy.

Fermer