Songadim-baovao

FIVORIAN’NY TOMPONANDRAIKITRA AMBONY : Nanatanteraka ny tombana ezaka vita ny eo anivon’ny Zandarimaria

Notontosaina omaly tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava ny fivorian’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimaria manerana ny Nosy, tamin’ny alalan’ny « visioconférence ». Nisy ny hevi-dehibe voadinika sy tombana ezaka natao nandritra izany…

Ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena.

Notontosaina omaly maraina, tamin’ny alalan’ny « visioconférence » ny fivoriana fahatelo an’ireo Tomponandraikitra ambony eto anivon’ny Zandarimariam-pirenena manerana ny Nosy, izay notarihin’ny Jly Sekreteram-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny Zandarimaria. Niditra mivantana nitafa sy nanome toromarika nandritra izany ny Praiminisitra Ntsay Christian,  izay lehiben’ny « Organe Mixte de conception » na ny (OMC) manerana ny Nosy, sy ny Jly Rakotonirina Richard, minisitry ny Fiarovam-pirenena. Nahatratra 102 ireo mpandray anjara nanerana ny Nosy, izay ahitana ireo Tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Sekretariam-panjakana sy ny Foibe fikaomandiana ny zandarimaria ary ireo Kaomandin’ny Vondrona rehetra any amin’ny Faritra. Hevi-dehibe ampolony no voadinika nandritra ny fivoriana. Anisan’izany ny tombana ezaka vita mitaha amin’ireo tondrozotra nomena, nandritra ireo fivoriana teo aloha sy ny ezaka nandritra ny taona mikasika ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany; ny ady amin’ny halatr’omby sy ny asan-jiolahy, ny fiparitahan’ny basy mampirongatra ny asan-dahalo sy ireo mpimasy, ny firongatry ny zava-mahadomelina; ny fiarovana eny amin’ny lalam-pirenena, ny fitantanana ireo mpiasan’ny zandarimaria.

Ho tratra avokoa ny tanjona….

 

Nahatratra 102 ireo mpandray anjara nanerana ny Nosy.

Tsy nohadinoina koa ny fankasitrahana sy fampirisihana ireo zandary nahazo vokatra tsara. Tsy atao latsa-danja ny fampitaovana ireo toby sy zandary eny an-tsehatra. Ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka mandritra ny fifidianana senatorialy, izay notsindrian’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard mafy,  ny fitandroana ny fanatanterahana izany antsakany sy andavany. Eo koa ny hetsika fambolen-kazo sy fiarovana ny tontolo iainana ary ny ady amin’ny doro tanety, izay nirongatra tato ho ato.  Ny fanohizana ny ady amin’ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus; ny fanofanana arakasa ireo zandary ary ny fitrandraham-baovao.

Tombanana ho tratra avokoa ireo tanjona mahakasika ny toromarika nomena teo aloha, na dia nisy aza ny sakana noho ny fisian’ny fihanahan’ny valanaretina coronavirus. Misy ihany anefa ny eo amin’ny lafiny fandriampahalemana, izay mila fanarenana haingana. Baiko mazava no napetraky ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, dia ny hanaovana ezaka manokana mikasika ny ady amin’ny asan-jiolahy  an-tanàn-dehibe sy ny asan-dahalo any ambanivohitra, izay anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka.

Fermer