PolitikaSongadim-baovao

MINISITERAN’NY MPONINA : Tomponandraikitra teo aloha miisa fito naiditra am-ponja vonjimaika

Mitohy ny fampiharana ny tany tan-dalàna sy ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Vaomiera mahaleo tena iadiana amin’ny Kolikoly na ny Bianco, fantatra fa tomponandraikitra ambony teo aloha fito, teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, ny taona 2018, no voasaringotra tamina trangana tsy fanarahan-dalàna maro, ka nahatonga ny fampidirana am-ponja vonjimaika azy ireo, taorian’ny fampanoavana teo anivon’ny Pac, afakomaly.

Trangana tsy fanarahan-dalàna maro no hita tao amin’ny departemantan’ny minisiteran’ny mponina, fiahiana ara-tsosialy, ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny taona 2017 sy 2018. Tafiditra tao anatin’izany ny hosoka sy fampiasana hosoka, ny fanamparam-pahefana, fanodinkodinana sy fampiasana fananam-panjakana tsy ara-drariny, fanomezana tsy ara-dalàna, ary famotsiam-bola.

Tomponandraikitra maro teo anivon’ity minisitera ity no voasaringotra tamin’izao raharaha izao, araka ny fanadihadiana. Isany voalohany amin’izany ny Tale nisahana ny raharaha ara-bola sy ny mpiara-miasa akaiky taminy. Teo koa ireo « Depositaires comptables » roa, ankoatran’ireo tomponandraikitry ny tsenam-baro-panjakana roa izay voasaringotra ihany koa. Ankoatra ireo anefa, nisy koa mpitantana tetikasa sy mpamatsy entana maro tafiditra amin’izao raharaha izao. Taorian’ny fanadihadian’ny vaomiera mahaleo tena iadiana amin’ny Kolikoly na ny Bianco, nalefa teny anivon’ny rafi-pitsarana misahana ny ady amin’ny Kolikoly na ny Pac avy hatrany ny raharaha. Ny 17 Novambra teo, niakatra fampanoavana ny olona 15 voasaringotra, ka olona 7 tamin’ireo no tsy maintsy naiditra am-ponja vonjimaika avy hatrany. Ny valo ambiny kosa, nisitraka fahafahana vonjimaika, ary miandry ny tohin’ny fanadihadiana mbola hatao.

Olona maromaro mpiray tsikombakomba

Tsara ho fantatra fa 01 Septambra 2020 teo no nanao fampilazana tamin’ny Vaomiera mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly, sampana Antananarivo, ny teo anivon’ny Fitaleavana ankapobeny misahana ny fanarahamaso ara-bola. Ny fanadihadiana nataon’ny Bianco, noho izany, no nahafahana nahita ireo karazana tsy fanarahan-dalàna ireo, izay nataona olona maromaro mpiray tsikombakomba. Etsy ankilany, amin’izao fotoana izao dia mbola anisan’ireo tomponandraikitra ambony manana antontan-taratasy eo anivon’ny Fitsarana Avo ny Minisitra nitantana ity departemanta ity tamin’ireo daty ireo. Dosie izay mbola eo am-pikirakiran’ny Kaomision’ny Fitsarana Avo, eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny, ary andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha, amin’ny fotoana hanaovan’ny vaomiera tatitra amin’ny fivoriam-ben’ireo Solombavambahoaka.

Fermer