Songadim-baovaoToekarena
FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA: Notokanana ny ozinina mpamokatra lafarina ao Toamasina
Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina ny fametrahana indostria maro manerana ny Nosy. Tsy vitan’ny Fanjakana samirery anefa izany, fa tsy maintsy iaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Tafiditra ao anatin’izany indrindra ny nitokanana ny ozinina mpanodina lafarina, LMOI na ny ”Les minoterie de l'Océan Indien”, ao amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana, omaly.
Ny zavatra ilain’ny Malagasy dia tokony ho vokarina eto Madagasikara avokoa. Io no anisany fanamby nataon’ny Filoha Andry Rajoelina fony izy mbola kandida ho filoham-pirenena. Ankehitriny, efa mandeha tsikelikely ny fanatanterahana izany, amin’ny alalan’ny fametrahana ireo orinasa samihafa manerana ny Nosy , raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ity taona 2020 ity manokana, izay efa nisy orinasa efatra (4) tafatsangana. Ao anatin’izany ny Orinasa mpanao paty (pate alimentaire), ny orinasa Sasm mpanao siramamy ao Brickaville , ny Pharmalagasy, ary ny LMOI na ny “Les minoteries de l’océan indien” izay vao notokanana omaly.
Fanatanterahana Velirano
Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny Repoblika, nandritra ny fitokanana omaly, tafiditra ao anatin’ireo orinasa lehibe indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indiana ity ozinina LMOI ity, ary isan’ireo manarapenitra. Nilaza ny Filoha fa manampy sy manosika ny mpandraharaha ny Fanjakana amin’ny fampiroboroboana ny indostria. Notsiahiviny fa anisany velirano nataony ny fametrahana sy fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara. “Ny LMOI dia mandray anjara tanteraka amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara satria hatramin’izay isika dia manafatra lafarina 250000 taonina isan-taona. Amin’izao fotoana izao dia afaka mamokatra lafarina eto Madagasikara isika.Tokana ny tanjona, ny zavatra rehetra ilain’ny Malagasy dia tokony ahodina eto avokoa”, hoy ny fanazavany. Fotoana izay nanindriany fa mandray anjara tanteraka amin’ny fahatanterahan’ny Velirano ity ozinina ity. Nambarany fa tokony hidina hatrany amin’ny 15% ny vidin’ny lafarina manomboka izao. Ny LMOI, izay tsy mitondra tombontsoa ara-toekarena ho an’ny Faritra Atsinanana fotsiny ihany, fa ho an’I Madagasikara iray manontolo mihitsy.
Mbola manafatra varimbazaha
Ankehitriny, afaka mamokatra lafarina 500 taonina isan’andro ity ozinina ity, araka ny fanazavan’ny Filoha Tale Jeneraliny. Tanjona kosa ny hahafahany mamokatra hatramin’ny 1200 taonina isan’andro, amin’ny taona 2021. Ankoatra izay, manafatra varimbazaha na “blé” karazana roa avy any ivelany ny orinasa LMOI. Nambaran’ny mpitantana fa mbola manafatra “blé” ny orinasa Lmoi satria tsy mbola mahasahana ny filan’ny ozinina ny vokatra varimbazaha eto Madagasikara. Ny karazany iray amin’ireo hafarana dia fanamboarana lafarina fanaovana mofo dipaina. Ny faharoa kosa dia lafarina azo hanaovana mofo karazany maro na ilay antsoina hoe “multi-usage”. Tsara ho fantatra fa mpiasa manodidina ny 250 isa no miasa ao amin’ny LMOI. “Vonona izahay hiara-hiasa amin’ny Fanjakana amin’ny fanatanterahana ny velirano”, hoy ny fanazavan’ny mpitantana.
Hampirisihana ny fananganana indostria
“Vahaolana ho an’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fampiroboroboana ny indostria”, hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny Asan-tanana, Rakotomalala Lantosoa. Nanambara ity tompon’andraikitra ity fa tsy tokony hahitana fiakarany intsony ny vidin’ny mofo dipaina satria efa vita eto an-toerana ny lafarina, izay anisany akora fototra amin’ny fanamboarana izany. Izay rahateo koa no efa nifanarahana tamin’ny “Association des boulangeres” sy ny tompon’ny orinasa. Mbola nohamafisin’ny minisitra ihany koa fa fotodrafitrasa ara-indostrialy miisa 12 no hitsangana ao anaty fotoana fohy. Izy izay manentana hatrany ireo mpandraharaha malagasy mba hampiasa vola amin’ny fananganana indostria. Ny Fanjakana rahateo, amin’ny alalan’ny Minisitera tompon’andraikitra, dia manana ilay vina “Indostria iray isaky ny distrika”, ka ilaina ny fiarahamiasa amin’ny sehatra tsy miankina izany.




