SamihafaSongadim-baovaoSosialy
MPIANATRA MOZIKA, HIRA, DIHY… : Tanora 163 notoloran’ny minisitera mari-pankasitrahana
Ohatra tsara amin’ny soatoavin’ny Asa sy Ezaka voizin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ireo tanora 163 mpianatra eo anivon’ny CNEMD, na ny ivon-toeram-pirenena ho an’ny fampiarana mozika sy Dihy, nandray anjara tamin’ny seho ara-javakanto nandritra ny fitokanana ny Lapa Besakana sy Lapa Manjakamiadana eny Anatirova. Omaly no nanolotra ny mari-pankasitrahana ho azy ireo ny minisitera tompon’andraikitra.
Nanapakevitra ny hisaotra manokana ireo mpianatra eo anivon’ny CNEMD izay nandray anjara sy namelona ny fampisehoana, teo ambany lohahevitra hoe “iray ihany isika Malagasy”, sy ny fahaterahana indray na ny “Renaissance”, nandritra ny fanokanana ny Lapa Besakana sy ny Lapa Manjakamiadana, tao Anatirova tamin’ny 06 Novambra, ny Minisitera mpiahy. Notsindrian’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, fa sambany no nampandraisina anjara tamina hetsika lehibe ireo tanora ireo, ka nampiarahana tao anatin’ny sehatra iray daholo ireo taranja isan-karazany eo anivon’ity ivon-toeram-pampianarana ity, ahitana ny dihy, hira, ary mozika na fitendrena zava-maneno. Adin’ny dimampolo na 50ora no nanomanana ireny seho ireny, araka ny fanazavana. Fampiofanana aingana no natao, tafiditra ao anatin’izany ny fifehezana ny teknika rehetra na tamin’ny dihy, na hira, na mozika. Ny fanomezana mari-pankasitrahana omaly noho izany, dia sady fankasitrahana ny asa sy ezaka vitan’ireo tanora miisa 163, no fampananan-kery ihany koa ny fahalalana rehetra efa voarain’ireo tanora.
Lalan-tsaina vaovao
Tsara ho fantatra fa efa fanindroany izao no nampiakarina tamina sehatra lehibe sy goavana ireo mpianatra eo anivon’ny CNEMD, hatramin’ny nahatongavan’ny ekipan’ny minisitera mpiahy teo amin’ny fitantanana. Raha tsiahivina, efa niaka-tsehatra izy ireo tamin’ny fotoana nametrahana ny vato fototry ny akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny Kolontsaina etsy Ambohitsorohitra ambany, ary fanindroany iny teny Anatirova iny. “Efa lalan-tsaina vaovao nentin’ny minisiteran’ny Kolontsaina amin’izao fotoana izao mihitsy ny fanomezan-danja sy sehatra ny mpanankanto, indrindra ireo izay vao misandratra. Hatramin’izay mantsy dia ireo efa matihanina foana no antsoina. Hany ka tsy manana sehatra hahafahany maneho ny talentany ireo tanora vao misandratra”, hoy ny minisitra. Mbola nampiany ihany koa fa “efa manana ilay talenta ireo tanora ireo, fa karazana fanamafisana no ataon’ny eo anivon’ny CNEMD”.

Manohana ny Minisitera
Efa ao anaty vinan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka ny fikarakarana sehatra miverimberina ho an’ireo tanora manan-talenta. Antony nananganana ny Anac na ny Akademiam-pirenena ho an’ny zavakanto sy ny Kolontsaina, izay ahitana sehatra fanaovana fampisehoana. Izany hoe, sady hisy fanofanana ao no hisy fampisehoana ihany koa. Tetsy ankilany, nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, fa vonona hatrany ny Minisitera hanosika sy hanohana ireo tanora manan-talenta mba ho tena hanana ny maha izy azy. Izy izay niarahaba sy nisaotra ireo tanora nahazo mari-pankasitrahana ary nampita ny fiarahabana sy ny fisaorana avy amin’ny Filoha Andry Rajoelina mivady noho ny hakanton’ny seho natao.
Taorian’ny fitokanana ny Lapa Besakana sy ny Lapa Manjakamiadana eo anivon’ny Rovan’I Madagasikara dia nanamafy ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo, omaly, fa hisokatra ho an’ny daholobe mialohan’ny fankalazana ny fetin’ny krismasy ny eny Anatirova. Izany hoe, manodidina ny 20 Desambra any ho any, raha ny tombana. Ny fametrahana ny “muséographie” sisa no fikarakarana farany mbola hatao eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Eo koa ireo pitsopitsony ara-fotodrafitrasa mbola vitaina. Antony tsy mbola hahazoan’ny daholobe miditra ao Anatirova dieny izao.




