SamihafaSongadim-baovaoSosialy

MINISITRY NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA: Nanolotra Kits Photovoltaiques ny Hopitaly Atsimo Antsirabe

Amin’izao fandalovany ao amin’ny renivohitry ny Faritra Vakinankaratra izao, nanolotra fitaovana enti-mamatsy herinaratra ny Hopitaly Atsimo Antsirabe ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo. Ireo fitaovana ireo no tonga tany an-toerana dia vokatry ny fiarahamiasa tamin’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Ankoatra izay, takelaka mpamokatra herinaratra (panneaux solaires) miisa 16, miaraka amin’ny vata mpiary herinaratra (batterie) 16 ihany koa no indray napetraka tao amin’ity hopitaly ity. Hanampy betsaka amin’ny fampandehanana ny herinaratra ao amin’ny « laboratoire », araka izany, ireto fitaovana ireto. Araka ny fanazavana, manana rindram-piasa (système) matanjaka ireto fitaovana ireto, noho izy afaka mihodina avy hatrany raha toa ka misy ny fahatapahan’ny herinaratra. Vonona hatrany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, hijery izay afaka mbola hifanomezan-tanana sy hifanampiana, entina hanasoavana ny mpiara-belona, araka ny nambarany. Tsara ho fantatra fa ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo no minisitra mpiahy ny Faritra Vakinankaratra. Tsy vao sambany noho izany, ity farany no nanao hetsika fanohanana ny mpiara-belona ao amin’ity faritra ity fa efa imbetsaka. Ary anisany nahitana azy betsaka ny fanomezana fanampiana tamin’ny fotoana nampiakatra be ireo trangana Coronavirus tao an-tampon-tanànan’Antsirabe.

Fermer