Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO: Volamena 15kg tra-tehaka teny Ivato

Avo lenta, ary efa tena maty paika tanteraka ny fomba nanafenana ireo volamena saron’ny fadin-tseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Sabotsy teo. Araka ny fanazavana, volamena saika haondrana an-tsokosoko tany Dubai ireo tra-tehaka ireo, ary milanja hatrany amin’ny 15 Kg. Efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity volamena ity. Ary efa atolotra ny fampanoavana ilay olona nahatrarana azy ireo.

Tsy nampoizina mihitsy ny toerana nahitana ireo volamena.

Avo lenta tokoa no nanoman’ireo olon-dratsy ity fanondranana an-tsokosoko ity satria nofisahana natao manify ireo volamena, ary nozarazaraina natao lavalava maro be. Avy eo nampidirin’izy ireo tany anaty sosona kesika vy, fitondrana entana izany. Izany hoe, tsy tsikaritra avy aty ivelany, na avy ao anatin’ilay kesika vy mihitsy ireo volamena, fa nampidirina tany anelanelan’ny fonosana vy. Mba nahafahana nitondra azy ireo kosa anefa dia taozavatra malagasy, Baobaba vita amin’ny vy, no napetrak’ireo olon-dratsy tao anatin’ny kesika, nokasain’izy ireo hamitahana ny avy eo anivon’ny fadintseranana.

Isany nahatonga ny teo anivon’ny fadintseranana nitsikera ity kesika ity, noho izany, ny tsy fifanarahan’ny lanjan’ny entana ao anatiny, amin’ny endriny ivelany. Izany hoe, tsy tokony hanana lanja miompampana raha toa ka ilay taozavatra malagasy Baobaba vita amin’ny vy fotsiny no ao anatin’ny kesika. Ankoatra izay koa,  be loatra ny fiarovana nataon’ilay olona nitondra ity voalaza fa taozavatra malagasy ity tamin’ilay entana. Nahatsikaritra izany ny teo amin’ny fadintseranana ka notsikeraina ny kesika ka sarona ireo volamena milanja 15 Kg. Mitentina 1 tapitrisa dolara ireo volamena ireo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Fadintseranana, Lainkana Ernest zafivanona. Izany hoe, manodidina ny 4 miliara ariary any ho any.

Nosy Be sy Ivato

Teratany malagasy ihany io saika hanondrana volamena antsokosoko io, hoy ny fanazavana. “Matetika rehefa misy tranga tahaka itony dia tsy ilay tena tompony no misoratra amin’ny entana haondrana, fa misy ireo olona voairaka mahasahy manao sorona ny tenany. Antony tsy maintsy hanaovana fanadihadiana amin’izay tena tompony”, hoy hatrany ny tale jeneralin’ny Fadintseranana.

Niaiky ny teo anivon’ny Fadintseranana fa miovaova foana ny fanaon’ny mpanondrana an-tsokosoko amin’ny fanafenana ny entana haondrana.  Araka ny baiko nomen’ny Fitondram-panjakana foibe anefa, tsy maintsy hamafisina ny fanarahamaso eny anivon’ireo vavahady fivoahana an’I Madagasikara, indrindra ny fijerena akaiky ny fivezivezen’ireo volamena. Fotoana izay nanazavany fa hamafisina ny fanaraha-maso an’i Nosy Be sy Ivato satria ireo izao no seranana misokatra ankehitriny. Notsindrian’ny Tale Jeneralin’ny Faditseranana koa fa rehefa amin’ny vanim-potoana hampiatoana ny fanondranana tahaka izao no matetika mampitombo ny trangana tsy fanarahan-dalàna. Mbola naaton’ny Fanjakana tokoa mantsy ny fahazoana manondrana volamena amin’izao fotoana izao.

Efa eo am-pelatanan’ny manam-pahefana ny raharaha.

Marihana fa efa nohazonina ilay olona nikasa hanondrana antsokosoko, ary atolotra ny fitsarana. “Infraction mixte”, na hadisoana roa samihafa izao tra-tehaky izao, araka ny fanazavana. Misy ny hadisoana natao tamin’ny fadintseranana, ary misy hadisoana natao tamin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany. Apetraka any amin’ny toerana izay efa voafaritry ny lalàna hametrahana ny entana nogiazina kosa ireto volamena ireto.

Fermer