PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY KERE: Hapetraka ao Amboasary ny « centre opérationnel de coordination »
Ho fanohizana sy fanamafisana ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana, amin’ny ady amin'ny kere, any amin’iny tapany Atsimon’ny Nosy iny, dia nidina ifotony nijery ny zavamisy sy ny dingana efa vita ny delegasiona tarihin’ny Praiministra, ny herinandro lasa teo. Fantatra, nandritra izany, fa hapetraka ao Amboasary Atsimo ny « Centre opérationnel de coordination », handrindra ny asa rehetra atao any amin’ity distrika ity, sy ny manodidina azy.
“Ambony dia ambony ny fanamby miandry antsika raha ny ady amin’ny kere aty Atsimo no resahina. Mbola hisy ny fotoana maharitra kokoa handinihana ny vahaolana entina amin’izany, hijerena ny lesoka, ny tokony hahitsy ary hitondrana ny vahaolana maharitra izay hapetraka, na eo anivon’ny fitondrana foibe na ny aty an-toerana izay miatrika ny ady”, hoy ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, tao amin’ny Distrikan’i Amboasary Atsimo, Faritra Anosy, raha nihaona sy nanome toromarika ho an’ireo tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny sy ny solontena avy amin’ny sehatra tsy miankina ny tenany.
Ho an’i Amboasary manokana, mahakasika ny fanampiana ireo olona tratry ny fahasahiranana, dia hapetraka ny « centre opérationnel de coordination » izay ho eo ambany fitarihan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, hoy ny fampitam-baovao. Io foibe io no hibaiko sy handrindra ny asa rehetra izay atao ao amin’ny Distrikan’amboasary. Hanana solontena ao anatin’izany ireo mpiara miombona antoka sy ireo ratsa-mangaikan’ny Fitondrana. Notsindrian’ny Lehiben’ny governemanta rahateo ny hametrahana ho laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa, ny fahaiza-mitarika eo amin’ny fandrindràn’asa ary ny tokony hanatevenana sy hanatsarana bebe kokoa ny fomba fiasa.
Omena fitaovana sy teti-bola
Araka ny fanazavana hatrany, hisy ny fanaraha-maso akaiky ny fivoaran’ny toe-javamisy mahakasika ny “kere”. Momba ny fanisana ny mponina, hisy ny lamina manokana apetraka isaky ny kaominina amin’ny fampitàna ireo angom-baovao alefa any amin’ity foibe ao Amboasary ity. Omena fitaovana sy teti-bola mifanaraka amin’izay filàny io ivo-toerana io, hoy hatrany ny Praiministra ary aorian’ny fipetrahan’ny Centre de commandement opérationnel ao Amboasary dia ezahina ny hametraka sampan’ity foibe ity isaky ny kaominina 18 mandrafitra ny distrika. “Ireo olom-boafidy ihany koa dia tokony hanampy amin’ny fanamoràna ny asa rehetra mikasika ny fametrahana izany lamina vaovao izany”, araka ny nambaran’ ny Lehiben’ny Governemanta.




