SamihafaSongadim-baovaoSosialy

VALANARETINA COVID-19: 31 ireo tranga vaovao tao anatin’ny herinandro

Mitohy hatrany ny fitiliana momba ny valanaretina Covid-19 eto amintsika, na dia efa nitsahatra aza ny Hamehana ara-pahasalamana. Araka ny valin’ny fitiliana natao, nanomboka ny 14 ka hatramin’ny 18 novambra lasa teo, olona vaovao niisa 65 indray no voamarina fa sitrana tamin’ny Covid-19. Niampy 31 kosa, ireo olona vaovao mitondra io tsimokaretina io eto amintsika. Hita tato amin’ny  Faritra Analamanga sy ny Faritra Matsiatra ambony ny 19 tamin’ireo voatily ho mitondra ny tsimokaretina vaovao ireo. Marihana fa olona 19 tamin’ireo sitrana 65 dia avy ato amin’ny Faritra Analamanga avokoa. Fanampin’izay,  saika  tao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy ny Faritra Atsimo Andrefana avokoa ny 24 tamin’ireo olona sitrana hafa. Olona 17 vaovao ihany koa no voamarina fa sitrana tao amin’ny Faritra Sava sy Diana. Vokany, tafiakatra 16 654 ny isan’ireo olona efa sitrana tamin’ity valanaretina ity ary miisa  17 341 ny fitambaran’ireo olona mitondra ny tsimokaretina amin’izao fotoana. Tetsy ankilany, nisy olona iray indray lavon’ity valanaretina Covid-19  ity teto amintsika. Hatreto, miisa 251 ireo olona efa lavo nandritra ny nisian’io tsimokaretina io. Hampirisihana hatrany, noho izany, ny fanajana sy ny fanarahana ny fepetra rehetra efa napetraky ny Fanjakana mba hisorohana ny  mety ho fihanak’io valanaretina io.

Fermer