Coke « Hiray Vatsy », ahitana vary, menaka amin’ny tavoahangy 1 litatra, savony lava iray, ronono mandry mamy iray boaty, siramamy 1 kg, voamaina 3kg ary Coca-Cola 150 Sl no nozarain’ny Orinasa Star sy Fondation Coca-Cola ho an’ireo vahoaka tena sahirana tao amin’ny boriborintany fahefatra, ny zoma 20 Novambra 2020 lasa teo. Teny Anosizato no notanterahina ny hetsika, izay niaraniasa tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Amin’ny maha firenena vao avy nandalo krizy ara-pahasalamana an’I Madagasikara, betsaka ireo tokantrano mbola tsy tafarina ankehitriny, tsy vitsy ireo mbola tsy manana fidiram-bola satria very asa nandritra ny vanim-potoan’ny Covid-19. Teo anatrehan’izany, amin’ny maha orinasa tomponandraikitra sy mitsinjo ny mahaolona ny Star sy ny Fondation Coca-Cola, dia zava-dehibe ho azy ireo ny mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana ny fiarahamonina misy azy. Ho an’ity fizarana santatra ity, fianakaviana sahirana avy eny Ankazotoho, Anosimahavelona, Anosibe Andrefana I, Anosibe, Angarangarana, Mandrangobato I, Mandrangobato II, Anosizato Andrefana II ary Madera Namontana no nisitraka ny fanampiana.
Tsara ho fantatra fa izao hetsika izao dia tohin’ny fanapiana ara-tsosialy izay efa notanterahin’ny Star hatramin’ny fiandohan’ny taona ihany, ary tafiditra ao anatin’ny politika RSE izay vohizin’ny ihany koa. Raha tsiahivina, efa hatramin’ny fiandohan’ny taona dia efa nisy ireo asa sosialy notanterahin’ny STAR, toy ny fanampiana ara-pitaovana ny Minisiteran’ny Fahasalamana amin’ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, teo koa ny fanomezana rano fisotro ho an’ireo vahoaka ianjadian’ny Kere any Atsimon’ny Nosy.




