Trangam-piaraha-monina

ONIVERSITEN’ANTSIRANANA: Mpianatra iray may kilan’ny afo

Nitrangana haintrano niafara tamin’ny famoizana ain’olona iray, tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Tokony ho tamin’ny misasakalina, raikitra ny fifanjevoana teo amin’ireo fokonolona noho  ny firehetan’ny  tranon’ny mpianatra tao amin’ny faritry Oniversiten’Antsiranana, ny alin’ny 21 hifoha ny  22 novambra lasa teo. Nisy ny ezaka natao hamehezana io firehetana io saingy nalaky nihanaka ny fiparitahan’ny afo.  Vokatr’izany, lehilahy iray mpianatra  no nambara fa nindaosin’ny fahafatesana ary nisy olona niisa roa hafa naratra.  Efa nahazo fitsaboana sahaza azy ireto farany,  raha ny tatitry ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

Tetsy ankilany, mahatratra 60 ireo mpianatra traboina any an-toerana amin’izao fotoana.  Velon-taraina tanteraka izy ireo satria saika tapitra may tao avokoa ny fitaovam-pianarana sy ny kojakoja majinika tao an-tokantrano. Tsy niandry ela fa io omaly io ihany, tonga nanolotra fanampiana toy ny vary roapolo gony, legioma roa gony, vilany ary menaka roapolo litatra ny teo anivon’ny ministeran’ny Fampianarana Ambony. Ireo fanampiana ireo izay vokatry ny fifandrimbinana nataon’ny Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena sy ny Governoran’i Diana ary ny teo anivon’ny Oniversite voakasika. Voalaza fa anton’ny nahatonga ny firehetana ny fisian’ny fifampikasohan’ny herinaratra.  Marihina fa tokony ho tamin’ny telo ora maraina vao voafehin’ny fokonolona ny afo ka anisan’ny antony niteraka io fahavoazana goavana io.

Fermer