PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FISANDRATAN’I MADAGASIKARA : Paikady ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Nanana anjara fitenenana tamin’ny fankalazana ny andro maneran-tany ho fampiroboroboana ny indostria taty amin’ny kaontinanta afrikanina ny Filoham-pirenena malagasy, Andry Rajoelina, ny zoma 20 novambra lasa teo. Tamin’ny alalan’ny Visio Conférence no nandraisany fitenenana, nanambarany ireo paikady ho an’ny fisandratan’i Madagasikara, hatramin’ny nandraisany ny fitantanana ny firenena, ny taona 2019. Nambarany, nandritra izany, fa ny fahavitan-tena ara-tsakafo no paikady ho an’I Madagasikara, ary mifanindra andalana amin’izany koa ny fampiroboroboana ny indostria. “Tanjona ny hamokaran’I Madagasikara izay zavatra rehetra ilain’ny Malagasy, eto an-toerana ihany”, hoy ny Filoha. Izany rahateo no hahafahana manarina ny fahataran’ny fampandrosoan’ny firenena izay hilokalokany. Fotoana ihany koa io tamin’ny zoma io, nanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina ny paikady hapetraky ny Fanjakana momba ny ady amin’ny Kere any Atsimo.

Fermer