Trangam-piaraha-monina

DISTRIKAN’I FARAFANGANA : Zazavavy 16 taona naolana andian-jatovo 10 lahy

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny fokontany Evato, anatin’ny distrikan’i Farafangana, ny 17 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Zazavavy 16 taona niaraka tamin’ny reniny naolana andian-jatovo miisa 10. Efa mandeha ny fikarohana…

Ilay mpanolana sarona tany amin’ny distrikan’i Sambava.

Misesisesy  ny asa fanolanana manerana ny faritra maro ! Lasibatry ny fanolanana nataona andian-jatovo ny zazavavy iray 16 taona tao amin’ny fokontany Evato, kaominina ao ihany, anatin’ny distrikan’i Farafangana, ny 17 novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Raha ny angom-baovao, nandeha naka taratasy teny amin’ny fiantsonan’ny lakana, teo amin’ny reniranon’i Menambavany, izay 500 m miala ny tanàna, ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy iray. Norahonan’ireo andian-jatovo ireo ilay renim-pianakaviana antsoina hoe Olivia. Taorian’izay, dia nitsimbadika tany amin’ilay zanany vavy ny rasa satria dia tsy nanaiky ireto andian-jatovo ireto, raha tsy nanolana ilay zazavavy vao 16 taona. Nanamparan’izy ireo ny filan-dratsiny teo ilay zazavavy ary nifandimbiasan’izy ireo nanalany ny fony. Vita ny nataony, dia vaky nandositra amin’izay izy ireo. Ny ampitso harivan’iny, vao nanatona mpitandro zandary ireo niharam-boina. Nanambara ny tomponandraikitry ny borigady ao an-toerana, fa efa mandeha ny fikarohana sy fanadihadiana ireo nahavanon-doza, izay efa misy fantatra ny momba azy ireo.

Zazavavy iray naolan’i Dadafarany…

Zazavavikely vao 12 taona  monja indray no voaolan’i Dadafarany, ny marain’ny 19 novambra teo,  tao Andranokolasy fokontany Ambodisatrana I, Kaominina sy distrika Sambava, Faritra Sava. Raha nandeha ho any amin’ny dokotera ilay Nenitoan’ilay zazavavy no nanararaotra nanao asa fanolanana azy i Hery izay Dadafarany ihany. Efa ela no nanao fihetsika hafahafa tamin’io zazavavikely io i Hery Dadafarany ka tsy namelan’ity farany raha tsy simbany tanteraka. Marihina fa vao 12 taona ity zaza ity, mbola mianatra, kilasy fahefatra ary mipetraka amin’ny Nenitoany. Vao naheno ny vaovao mahakasika izany ny Zandary avy ao amin’ny Tobim-paritra Sambava dia nandray ny andraikiny avy hatrany, ka nisambotra ilay Dadafara nahavanon-doza sy nitondra ilay zazavavikely, izay hita fa tena mbola torovana tokoa tany amin’ny dokotera. Manao antso avo hatrany ny mpitandro filaminana, ny amin’ny tokony hahasahian’ireo lasibatry ny fanolanana, mba hitoroka na hiantso amin’ny laharana maitso 813.

Fermer