PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MINISITRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO: “Izahay izao no tena niady ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”

Nandritra ny fanokafana indray ny fampiofanana maha matihanina mpanao gazety tetsy amin’ny Cefom Maibahoaka Ivato, no nanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo ny lalan-tsaina nanavaozana ny lalàna vaovao mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery. Fotoana izay nanambarany ny dingana goavana vitany sy ny minisitera izay tarihiny amin’ny fanomezan-danja izany fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety izany.

Zava-dehibe ho an’ireo rehetra misehatra eo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety no mahalala ny asa rehetra natao, mialohan’ny nahazoana ity lalàna vaovao mifehy ny Serasera amin’ny Haino Vaky Jery, laharana 2020-006 ity. Afaka mirehareha ny minisitera mpiahy ankehitriny, izay angady nanana sy vy nahitana ity lalàna vaovao ity, izay nitondra fanintsiana maromaro tamin’ny lalàna teo aloha, laharana 2016-029. Nanambara ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly fa tena niady ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety marina ny tenany sy ny ekipan’ny minisitera miaraka aminy. Notsindriany manokana tamin’izany ny mahakasika ny famoahana vaovao amin’ny fivoriana mikato-trano, na mihiboka. Raha tsiahivina tokoa mantsy, niadian’ny minisitera mafy ny tokony hahafahan’ny mpanao gazety mamoaka vaovao azo avy tamin’ny fivoriana mikato-trano, saingy tsy nankatoavin’ny ankamaroan’ireo parlemantera izany, tamin’ny fotoana nandalovan’ny volavolan-dalàna teny amin’ny Antenimiera roa tonta. Tetsy ankilany anefa, nahatsapa ny maha zava-dehibe izany fahafahana mamoaka vaovao amin’ny fivoriana mikato-trano izany ny teo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka dia nahitsin’izy ireo izay voalazan’ny Antenimiera roa tonta, ka lasa azon’ny mpanao gazety atao manomboka izao ny mamoaka izany. Tsy maintsy vaovao voamarina kosa anefa no avoaka amin’izany mba tsy hahadiso ny lahatsoratra. Araka izany, antoka lehibe ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety ny fahafaha-mamoaka vaovao avy amin’ny fivoriana mikato-trano.

Tsy mbola nisy mpanao gazety nigadra noho ny asany

Tsara marihana fa tsy misy sazy famonjana mpanao gazety intsony ao anatin’ny lalàna mifehy ny serasera laharana 2020-006. “Izahay no nanome fahefana be sy fahaleovan-tena ny mpanao gazety”, hoy ny minisitra. Ao anatin’io lalàna io tokoa mantsy, na sanatria aza misy hadisoana an-gazety na tamin’ny lahatsoratra sendra nataon’ny mpanao gazety, dia tsy ilay mpanao gazety avy hatrany no hiharan’ny sazy, fa miainga any amin’ny Talen’ny Famoahana izany, izay vao mety midina ao amin’ny tonian-dahatsoratra. Rehefa tsy mbola milamina ny raharaha vao mety ho tonga hatrany amin’ilay mpanao gazety nanoratra izany. Izany hoe, feno tanteraka ny fiarovana ny mpanao gazety amin’ny asany ao anatin’ity lalàna vaovao ity.

Nandritra izao fitondrana izao, tsy mbola nisy mpanao gazety nigadra tamin’ny fanatanterahany ny asany, hoy ny minisitra. Ny mpanao gazety migadra amin’izao fotoana izao dia mpanao gazety nanao heloka tsotra, na “infraction de droit commun” voalazan’ny “Code Pénal”. Tsy ny lalàna mifehy ny Serasera akory no hanenjehana ireny mpanao gazety ireny, fa ny “Code Pénal” malagasy manan-kery amin’izao fotoana izao. Tsy azon’ny mpanao gazety ialokalofana hanaovana fandikan-dalàna ny sata maha mpanao gazety azy, hoy izy.

Karatra maha matihanina

Araka ny efa voalazan’ny lalàna 2016-029 ihany no mbola nohamafisin’ny lalàna 2020-006 amin’izay tokony ho mpikambana eo anivon’ny vaomiera ikambanana isasahana, izay natao iandraikitra ny fizarana ny karatra maha matihanina ny mpanao gazety. Izany hoe, misy ny vaomiera ikambanana isasahana aty amin’ny foibe, ary misy koa solontena avy any amin’ny faritra, sy avy any amin’ny faritany. Nanao fivoriambe ny mpanao gazety isam-paritra nanendry ireo solontenany ireo, araka ny fangatahan’ny ministera. Midika izany fa tsy nisy mihitsy safidy na fanendrena nataon’ny minisitera mahakasika ireo solontena isam-paritra. Ny Filoha Lefitry ny Holafitry ny Mpanao gazety isaky ny faritany no nanao Sonia ny fitanana an-tsoratra rehetra. Fihetsika izay nanamafy fa tena nisy ny fifidianana, ary samy ny tany an-toerana ihany no nisafidy ny solontena ao anatiny. Ny nandray ny tatitra fotsiny ihany no nataon’ny minisitera. Ankehitriny anefa, milaza ny birao sasany eo anivon’ny Holafitra fa tsy nanara-dalàna ny minisitera ary mahasahy milaza mihitsy fa mitsabaka amin’ny raharaha fizarana karatra maha matihanina mpanao gazety. Fanambarana izay mifanipaka tanteraka amin’ny zava-misy mihitsy satria tsy nisy afatsy izay voalazan’ny lalàna no narahin’ny minisitera tomponandraikitra.

Fermer