SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FIKAMBANANA FITIA: Manolo-tanana ireo vehivavy any Atsimo amin’ny famokarana
Ankoatran’ny tsy fahampian’ny rotsak’orana izay hiainan’ny mponina any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy, saika mandava-taona, olana atrehin’izy ireo koa ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-mamokatra, na eo aza ny faniriana hamokatra. Nitondra vahaolana amin’izany ny Fikambanana Fitia, amin’ny alalan’ny Filohany, Mialy Rajoelina.
Nidina ifotony tany amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny ny vadin’ny Filoham-pirenena sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina. Fotoana izay nahafahany nijery ifotony ireo olana sedrain’ny mponina any an-toerana , indrindra ny tao amin’ny Kaominina Ifotaka sy Tsivory. Fantatra nandritra izany fa hampiana tosika amin’ny alalan’ny fampitaovana azy ireo hiverina indray amin’ny fihariana izay hataony ireo fianakaviana misedra fahasahiranana vokatry ny Kere any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara iny. Marihina fa hatramin’ny nidinan’ny Filoha tany an-toerana fotoana vitsy lasa izay, dia mitohy hatrany ny fitadiavan’ny Fitondram-panjakana vahaolana maika manoloana ny fahasahirana izay mianjady amin’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo. Ny Filoha rahateo hentitra nanome toromarika ireo tomponandraikitra isan-tokony amin’ny tokony hanampiana ireo mpiray tanindrazana any atsimo ireo.
Fototra mangahazo 41 000
Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny Filohan’ny Fikambanana Fitia tany an-toerana, nolazainy fa efa nitady vahaolana hatrany ny Fanjakana foibe, ary mifameno amin’izany no ataon’ny Fikambanana Fitia. Izy izay nanolotra fisaorana manokana ny PAM misahana ny famatsiana sakafo ny tapany atsimo iny amin’izao fotoana. Eo anatrehan’izany, nitondra fanampiana ho an’ny isan-tokatrano, indrindra ireo vehivavy sy ny renim-pianakaviana ny vadin’ny Filoha. “Misy ireo fitaovana entina hambolena, akanjo fitafy ho an’ny ankizy. Zava-dehibe koa ny fanampiana amin’ny famokarana. Isan’izany ny fototra mangahazo sy karazana legioma, katsaka, miaraka amin’ny fitaovana fambolena, ary ny moto pompe, sy zezika. Koa olona 400 000 isa no afaka hahazo sakafo, aorian’ny enim-bolana monja, hambolena ireo mangahazo ireo”, hoy hatrany fanazavana. Tsara marihana fa miisa 41 000 ireo fototra mangahazo anjaran’ny Kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo.
Famokarana mifanaraka amin’ny toe-tany
Ankoatra izay, nambaran’I Mialy Rajoelina fa efa misy koa tetikasa goavana ankehitriny ataon’ny Fanjakana amin’ny fanomezana tany, sy ny fitarihana rano, ary ny fanofanana ny fianakaviana maro mba hivelona sy hahaleo tena. Ny Distrikan’Ifotaka no hatao modely amin’izany, hoy ny vadin’ny Filoha, Mialy Rajoelina. “Faniriako manokana ny hanampy ireo ankizy sy ireo ampela mba afaka hamboly, sy hahavita tena, ka hahavokatra mifanaraka amin’ny toe-tany any Atsimo, sy mamaly izay tena tadiavin’ny Kaominina Ifotaka”, hoy hatrany izy. Nampirisika ireo tanora sy vehivavy hilofo amin’ny famokarana ny vadin’ny Filoha.
Nisy ny fizarana sakafo ho an’ny olon-dehibe maherin’ny 1000 nataon’ny Fikambanana Fitia tao amin’ny Kaominina Tsivory. Tsy vitan’izany, fa mbola nanome koba aina ho an’ny ankizy 500 mahery ihany koa ny tenany. Haharitra 15 andro izao fampisakafoana izao, araka ny nambarany. Misy koa fanampiana lamba fitafy miaraka amin’ireo fanampiana ireo. Tsara ho fanatra fa ny Kaominina Tsivory dia anisan’ireo Kaominina nahavokatra tokoa teo aloha saingy noho ny hain-tany dia tsy afaka nanao na inona na inona intsony ireo mponina, ary anisan’ireo ianjadian’ny Kere mafy amin’izao fotoana izao.


