PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

MINISITERAN’NY SERASERA SY KOLONTSAINA: Mitohy ny fampiofanana maha matihanina ho an’ny mpanao gazety

Rehefa niato amam-bolana maro, noho ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Coronavirus teto amintsika, nitohy ary niverina nanomboka omaly ny fampivondronana faharoa amin’ny fampiofanana matihanina ho an’ireo mpanao gazety 40 mianadahy mandray anjara amin’izany, etsy Ivato.

Betsaka ireo mpanao gazety no tsy nandalo sekoly ambony fiofanana momba ny asa fanaovan-gazety fa avy hatrany dia nisehatra teny an-kianja. Araka izany, misy ireo fahalalana fototra tsy ampy, ka ilaina ny fanofanana tahaka ny ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny. Fampiofanana fampiofanana maha matihanina ho an’ny mpanao gazety, io no hamaritan’ny minisitera ity tetikasa ity. Efa tamin’ny volana marsa ny fampivondronana voalohany saingy tsy afaka nitohy noho ny Covid-19.  Tanjona kendrena amin’ity fandaharanasa ity ny hanamafy orina sy hampiakatra ny fahaiza-manaon’ireo mpanao gazety tsy ankanavaka.

Ny lafiny teknikan’ny asa fanaovan-gazety, ny fitrandrahana sy fikaroham-baovao ary ny etika sy ny deontojian’ny asa no hisongadina mandritra ity fampivondronana faharoa ity. Mandritra izany no hampahafantarana ny lalàna vaovao mifehy ny serasera amin’ny haino vaky Jery,  laharana 2020/006, izay efa mihatra amin’izao fotoana izao. Zava-dehibe ny firesahana ity lalàna ity raha hiresaka etika sy deontolojian’ny asa fanaovan-gazety, hoy ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Hahazo tombony ihany koa ireo mpanao gazety mandray anjara amin’ny fiofanana, amin’ny fampahafantarana azy ireo ny lohahevitra mifandraika amin’ny raharaham-pitsarana. Mbola betsaka, hoy ny Minisitra, ireo mpanao gazety tsy mahafehy ny an-tanantohatry ny raharaham-pitsarana ka ilàna fanofanana izany. Eo koa ny firesahana manokana ny fikirakirana vaovao momba ny ankizy, sy ireo lohahevitra hafa tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana, toy ny fampahafantarana ny tontolon’ny fifidianana Loholona eto Madagasikara.

Dingana roa

Miisa 40 ireo misitraka izao fampiofanana izao, izay mizara amin’ny Dingana roa (Niveau). Misy 20 ireo ao amin’ny Dingana voalohany, izay hahazo ny « Certificat d’aptitude aux métier du journaliste », ary haharitra enim-bolana ny fiofanana. Etsy ankilany, miisa 20 kosa ireo mpiofana ao amin’ny Dingana faharoa , izay hahazo « Certificat spécialisé en Journalisme« , haharitra folo volana. Saika voasolon-tenan’izy ireo avokoa ny faritra rehetra, hoy ny minisitra. Nambaran’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, fa vonona hatrany ny Minisitera ny hanampy tosika ireo mpanao gazety rehetra hanana ny maha izy azy amin’ity sehatry ny asa fanaovan-gazety ity. Tohana avy amin’ny Minisitera mpiahy kosa ny fisian’izao fampiofanana izao.

Fermer