SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Hisy tahirin-kevitra hirakitra ireo vahaolana amin’ny fanadiovana

 1 000 taonina isan’andro ny fako vokarin’Antananarivo, amin’ny andavanandro. Rehefa fotoam-pahavaratra, amin’ny fotoana hiakaran’ny letisia sy ny manga, miakatra hatrany amin’ny 1300 taonina isan’andro io fako io, araka ny fanazavan’ny sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Rano, , Fanadiovana, Fidiovana, Randriatsiferana Simon. Nambarany fa raha mandeha tsara daholo ny fitaovana eo am-pelatanan’ny Samva, dia mahatafavoaka fako eo amin’ny 300 hatramin’ny 400 taonina eo ireo fiara mpitatitra. Izany hoe, tsy maintsy misy fako miandrona manodidina ny 700 taonina isan’andro eo eo izany erak’Antananarivo. Midika izany, fa raha misy olana kely fotsiny ny Samva dia efa misy fiantraikany amin’ny fakana ny fako eny ifotony.

Ampahany amin’ny olana sedrain’ny tontolon’ny fanadiovana eto Antananarivo ihany ireo, fa mbola miseho amin’ny lafin-javatra maro izany, araka ny fanazavana. Antony maha zava-dehibe ny fijerena manokana ny « schema directeur d’assainissement » eto Antananarivo. Izany dia mamaritra ny fomba hitantanana ny resaka fanadiovana amin’ny lafiny rehetra eto amin’ny tanànan’Antananarivo, indrindra ny resaka ranon’orana, rano maloto, sy ny hafa rehetra izay mifandraika amin’ny resaka fanadiovana.

Nampahafantarina omaly

Anisany tena misongadina ao anatin’ity tetikasa ity, ny fijerena ny fomba hivoahan’ny ranon’orana sy ny rano maloto eto amin’ny tanànan’Antananarivo. “Tsy nanana izany fotodrafitrasa izany mihitsy isika hatramin’izay, na nisy aza efa antitra”, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny MEAH. Ity tahirin-kevitra ity, noho izany, dia hamoaka ireo karazana vahaolana rehetra azo atao mba hahafahana mamoaka rano maloto sy ranon’orana. Mpiara-miombona antoka maro no miara-misalahy amin’izao tetikasa izao. Tafiditra ao anatin’izany ny “Agence Française de Développement”, ny Vondrona Eoropenina, ny Banky iraisam-pirenena, izy ireo izay samy naneho ny fahavononany amin’ny famatsiam-bola ny tetikasa. Vonona hifanome tanana koa ireo teknisianina rehetra eto an-toerana, indrindra ireo voakasika mivantana amin’ny resaka fanadiovana. Marihina fa nisy ny fikaonan-doha fampahafantarana ity tahirin-kevitra ity nanomboka omaly tetsy amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo.

Fermer