SamihafaSongadim-baovaoSosialy

OLAN’NY FAMATSIAN-DRANO ETO ANTANANARIVO SY FIANARANTSOA: Apetraka ny fiatrehana ny “Hamehana” sy ny vahaolana maharitra

Na dia ao anaty fotoam-pahavaratra aza isika eto Madagasikara ankehitriny dia hiaraha-nahita ny tsy fahampian’ny rotsak’orana misy eto amintsika hatreto. Samy niaina izany ny faritra maro, saingy niantraika betsaka tamin’ny famatsian-drano teto Antananarivo sy Fianarantsoa kosa izany. Efa mandray andraikitra manoloana izany ny Fitondram-panjakana.

Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana, « noho ny haintany sy ny tsy fahampian’ny rotsak’orana, tato ho ato, dia mihena ny rano tonga any amin’ireo foibe maro, hikirakirana sy iaingan’ny famatsiana rano fisotro madio”. Eo anatrehan’izany, misedra olana ny fahazoan’ny mponina rano fisotro madio any amin’ny faritra toa an’Analamanga sy Matsiatra Ambony. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, anisany efa fepetra noraisin’ny tomponandraikitra ny fampitomboana ny isan’ny sinibe mpamatsy rano, ary hamafisana ny famenoana azy ireo. Efa nisy koa ny ezaka fampiakarana ny famokarana rano eny Mandroseza izay mihoatra ny 1000m3/ora.

Tsara ho fantatra fa miantraika eto Madagasikara efa an-taona maro ny fikorontanan’ny toetrandro maneran-tany, ary efa napetraka ny fandaharanasa fiatrehana izany eo amin’ny lafim-piainana maro. Isan’izany ny famatsiana rano fisotro madio, ny fahasalamana, ny fambolena, na koa ny fanjarian-tsakafo. “Iainantsika ny haintany, ny rotsak’orana be miteraka tondra-drano, ankoatry ny rivodoza, izay sahabo ho telo isan-taona no tena mahery vaika tokoa. Manampy trotraka izany koa anefa ny vokatry ny doro ala sy tanety”, hoy ny fampitam-baovao. Fantatra fa mety ho ritra ny loharano raha toa ka mitohy ny fanimbàna ny ala satria ny ala no sompitra, miantoka ny fisian’ny loharano, sy ny zavatra maro ilain’ny mponina eo amin’ny asa fihariana. Mitaky fandraisana andraikitra sy fifanomezan-tananan’ny rehetra ny zava-misy, tsy maintsy atrehina ny hamehana ary apetraka ihany koa ho fitsinjovana ny ho avy. Miainga amin’ny fihetsiky ny olom-pirenena tsirairay avy ny fiarovana ny harena voajanahary, toy ny rano izay miankina amin’ny fikajiana sy fiarovana ny ala, araka ny fanazavana hatrany.

“Cellule de crise” ao Fianarantsoa

Raha momba an’i Fianarantsoa manokana, mihena be ny rano ao amin’ny farihin’Antarambiby, misy ny tohodrano iaingan’ny zotra famatsiana ny renivohitry ny faritra Matsiatra Ambony. Teo anatrehan’izany, nametraka milina fitrohana rano miisa 4, afaka mampiakatra rano 250 misan’ora, ny tekinisianin’ny Ministera, ny zoma 20 novambra teo. Ny alahady teo, niampy milina iray fitrohana rano avy amin’ny BNGRC, ary tafapetraka soa aman-tsara izany ny alatsinainy, rehefa nanaiky ihany koa ny olobe ka nohajaina ny fomba malagasy satria faritra manana ny hasiny ilay toerana. Io andron’ny 23 novambra io koa no najoro ny “Cellule de crise” tarihin’ny Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony, Razafindrafito Lova Narivelo. Noho ny hamehana dia toerana 8 aloha, ao an-tananan’i Fianarantsoa, no hametrahana sinibe plastika iray avy. Amin’izao fotoana izao, miara-miasalahy ireo manam-pahefana, ny tompon’andraikitra any an-toerana, ny orinasam-panjakana sy ny tsy miankina, ary ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, miatrika ny hamehana ary mametraka ihany koa ny vahaolana maharitra.

Fermer