PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
MIALY RAJOELINA: Milofo amin’ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy
Omaly 25 Novambra no nanamarihana ny andro iraisampirenena hamongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy. Nandray anjara tamin’izany isika teto Madagasikara, ary naneho ny heviny mahakasika izany koa ny vadin’ny Filoha, nandritra ny fitsidihany ny faritra atsimo. Nambarany fa amin’ny maha masoivohon’ny ady amin’ny herisetra ny tenany, dia tsy maintsy milofo amin’ny fiarovana ireo vehivavy sy ny ankizy izy.
Lohahevitry ny fanamarihana ny andro iraisampirenena hamongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy tamin’ity taona ity ny hoe, “Sahia miteny, sahia mitoroka, aok’izay ny herisetra”. Nisy hetsika samihafa mahakasika izany natao teto amintsika tamin’ny tontolo andron’ny omaly. Raha tsy hilaza afatsy ny hetsika nokarakarain’ny minisiteran’ny Mponina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanànan’Analakely izay nampahafantarana ny tontolon’izany ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy izany eto amintsika. Teo koa ny fihaonana nataon’ny teo anivon’ny tontolon’ny fitsarana mahakasika ny famolavolana lalàna mifandraika amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy eto amintsika. Tsy latsa-danja tamin’ireo anefa, fa na dia tao anatin’ny fitsidihana ny faritra Atsimon’ny Nosy iny aza ny vadin’ny Filoha, Mialy Rajoelina, dia tsy nanadino ny niresaka mahakasika ity lohahevi-dehibe ity.
“Amin’ny maha masoivohon’ny ady amin’ny herisetra ny tenako, hilofosako isanandro ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy tsy manan-tsiny”, hoy ny Vadin’ny Filoha, sady Filohan’ny Fikambanana Fitia, Mialy Rajoelina. Miseho amin’ny endriny maro samihafa ny herisetra, hoy izy. Tsy vitsy ireo vehivavy mbola miaritra vono ataon’ny vadiny, na ny olon-tiany, manerana ny Nosy. Mbola misy hatrany koa ireo ankizivavy na vehivavy iharan’ny fanolanana. Misy renim-pianakaviana mitondra zioga isan’andro ao an-trano. Ampahany amin’ireo olana sedrain’ny vehivavy eto amintsika ireo nambaran’I Mialy Rajoelina ireo.
Fiarovana ny ankizivavy
Mampitondra takaitra ara-tsaina sy ara-batana ny herisetra satria misy vono sy ratra, hoy hatrany ny fanazavana. Mety hitarika hatramin’ny fahafatesana mihitsy aza izany ho an’ny tranga sasany. “Rehefa miresaka ny fiarovana ny vehivavy isika dia tsy tokony ho adinoina koa ireo ankizivavy”, hoy izy. Araka ny fanadihadiana tokoa, tsy vitsy ireo ankizivavy terena hanambady alohan’ny fotoana. Na koa atakalo noho ny fomban-tany, ka lasa manambady tanora. Misy amin’izy ireo koa avy eo mbola miteraka maro, mihoatra ny valo. Izany anefa dia antony mahatonga fahasahirana eo anivon’ny fianakaviana, eo amin’ny fiarahamonina, ary eo amin’ny firenena mihitsy. Mba hisorohana izany dia nanentana ireo mponina tany atsimo ny vadin’ny Filoham-pirenena ny tokony tsy hisalasalana amin’ny fanatonana toeram-pitsaboana, eny anivon’ireny CSB II ireny, na eny anivon’ny hopitaly ihany koa. Ireo toerana ireo izay misy fandrindram-piterahana na fanabeazana aizana hahafahana mandamina ny fiainan-tokatrano.
Tsy nanadino ny niresaka momba ireo herisetra ara-nofo mpahazo ny zaza sy ny ankizy, izay vao nahazo laka tao ho ato, ihany koa ny Vadin’ny Filoha. Notsipihiny fa anisany ahitana izany betsaka ao Tolagnaro sy Toliara, izay tsy lavitra an’i Distrikan’I Bekily izay notsidihiny. Na izany aza, nambarany fa efa nitombo ireo olona efa mahasahy mitoroka ny herisetra ara-nofo sy ny fanolanana, hoy izy.



