Non classé
FAMPIELEZANKEVITRA SENATORIALY: Mirona amin’ny fandresen-dahatra mivantana ny mpifidy vaventy ireo kandida
Ny 19 Novambra teo no nanomboka ny fampielezankevitra amin’ny fifidianana Loholona eto amintsika. Hatreto, tsikaritra ho tsy mitovy amin’ireo fampielezankevitra mahazatra ny zava-misy ankehitriny fa mangingina. Antony mahatonga izany, araka ny fanadihadiana, ny fironan’ireo mpilatsaka hofidiana amin’ny fandresen-dahatra mivantana ireo mpifidy vaventy. Tafiditra ao anatin’izany ny fivoriana ampahibemaso, ny peta-drindrina, trakta, ary ny fampiasana haino aman-jery. Tsara ho fantatra fa efa mandeha ny fampielezankevitra ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana ankehitriny. Etsy ankilany, mbola voahaja hatreto ireo didy folon’ny fampielezankevitra efa nampahafantarin’ny Ceni. Ary tsy mbola nisy fitarainana voaray. Araka ny fanadihadiana hatrany, manodidina ny 50 ireo fangatahana fankatoavana fanarahamaso voarain’ny Ceni mahakasika ity fifidianana ity hatreto. Anisany fepetra hapetraky ny eo anivon’ny Ceni ny tokony hanendren’ireo kandida ny mpitambolan’ny fampielezankevitra. Hatreto, mbola lisitra teo amin’ireo mpirotsaka hofidiana ihany no nahavita izany, raha ny angom-baovao hatrany.
