Fanadihadiana Manokana

FANAKORONTANANA TAMIN’NY TETEZAMITA : Nopotehina ara-pomba miaramila ireo baomba vita tanana sarona

Notontosaina ny alatsinainy teo, tany Langaina ny famotehana ara-pomba miaramila ireo baomba vita tanana sarona ampolo taonany, indrindra ireo baomba vita tanana, nenti-nanakorontanana nandritra ny Tetezamita ireny. Tsy hijanona eo ny hetsika fa mbola hitohy any amin’ireo Fari-piadidiana sy Vondron-tobim-pileovana Zandarimaria manerana ny Nosy. Fanadihadiana…

Ampahany amin’ireo baomba mahery vaika.

Notanterahina ny alatsinainy lasa teo, teny amin’ny kianja fanazarantena mitifitra (champ de tirs) any Langaina ny famotehana ara-pomba miaramila ireo baomba vita-tanana sarona sy fanandramana ireo basy mahery vaika samy nogiazana nandritra ny taona maro teo anivon’ny Fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo. Ahitana ireo grenade offensive » sy « grenade défensive », ireo karazana baomba izay nipoaka na tsy nipoaka nandritra ny fanakorontanana niseholany tamin’ireny tetezamita ireny no navondrona sy nopotehina tamin’ny fomba ofisialy, ary nanaovana fitanana an-tsoratra tany Langaina nandritra io fotoana io», raha ny fanazavan’ny Jly Rakotondrazaka Andriatsarafara, Kaomandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo, omaly tetsy Ankadilalana.

Nirosoana ny andrana teknika…

Ampahany amin’ireo baomba vita tanana nenti-nanakorontanana.

Nasongadiny nandritra ny fanazavana fa nisy koa ny andrana teknika ireo basim-panjakana, izay nogiazana tamin’ny asan-jiolahy maro nitranga teto amin’ny Fari-piadidiana eto Antananarivo, nandritra izay folo taona izay. Nambara fa vita soa aman-tsara ny fanapotehana ireo baomba na vanja ireo. Taorian’ny andrana teknika, dia misy ny fanatsarana ireo basy mahery vaika, izay mbola azo ampiasaina, ka averina any amin’ny Tobin’ny Zandarimaria.

Nirosoana ny famotehana ireo baomba mahery vaika.

Araka ny baiko sy toromarika nomen’ny  Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria, ny Jly Ravalomanana Richard sy ny  Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, dia hanatanteraka izany koa ireo Fari-piadidiana sy Vondron-tobim-pileovana Zandarimaria manerana ny Nosy. Misy basim-panjakana izay azon’ny Zandarimaria teny amin’ireo jiolahy nampiasain’izy ireo  ny asa ratsiny, ireo nanaovana andrana ireo. Ireo basim-panjakana dia ireo kalachnikov A47, dia misy basy Mas 36 sy  ny maro hafa. Ny mahafantatra ireo basim-panjakana ireny, dia ny fibaikoana eo anivon’ny Tafika sy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ny anjaran’ny Zandarimaria ny manao ny fanagiazana ireo basy tratra teny am-pelatanan’ireo jiolahy.

Isorohana ny loza mety hitranga

Nisy ny fanaovana andrana ara-teknika ireo basy mahery vaika.

Ho an’ny « grenade offensive » dia nahatratra 42, ny « grenade défensive », dia  nahatratra 11, nisy koa ireo baomba  mandatsa-dranomaso ampolony maro, efa nipoaka sy mbola tsy nipoaka no nirosoana tamin’ny famotehana. Ankoatra ireo, nahitana baomba « artisanale » miisa fito, izay mbola tsy nipoaka, tsy maintsy nirosoana ny famotehana azy ireo. Ireo baomba vita tanana ireo, dia nataon’olon-tsotra, izay tsy nipoaka nenti-nanakorontanana nandritra ny Fitondrana Tetezamita ireny. Marihina fa ireo baomba fampiasan’ny miaramila sy ireo ilay antsoina hoe « artisanale » na vanja izay sarona sy nogiazana nanomboka ny Fitondrana tetezamita ireo nopotehina  imason’ny solontenam-bahoaka ireto, mba hisorohana ny loza mety haterany aoriana, indrindra fa rehefa ela loatra ny fe-potoana hitahirizana azy ireny. Ireo basy mahery vaika sy fitaovam-piadiana hafa nogiazana, ka hita fa mbola azo ampiasaina, dia nomena ireo Tobin’ny zandarimaria amin’ny faritra mena, mba hanampiana ireo fitaovana entina hamongorana ny lafiny tsy fandriampahalemana.

Fermer