PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

VELIRANO FAHATELO – FANJAKANA MANAKAIKY VAHOAKA : Misokatra ny Ivon’ny Torohay

Fanamby napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny dia hametrahana Fanjakana manakaiky vahoaka amin’ny lafiny rehetra. Mampihena ny elanelana misy eo amin’ny mpitondra sy ny entina izany, ary mampitombo ihany koa ny fatokisan’ny vahoaka ny mpitondra. Mifandrimbona amin’ny fanatanterahana izany indrindra ny fametrahana ny Ivon’ny Torohay (Ivotoro), eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay hisahana ny fanomezana torolalana sy torohevitra ireo mpila raharaha amin’ireo sampandraharaham-panjakana.

Eny amin’ny faritry ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Nanisana no misy ny Ivotoro.

Ny 80%-n’ny Malagasy dia saika mila raharaha amin’ny sampandraharaham-panjakana avokoa. Misedra olana anefa matetika ny ampahany maro amin’ireo rehefa mikarakara taratasim-panjakana noho tsy fahampian’ny fahalalana sy ny torolalana mifandraika amin’ny antontan-taratasy karakaraina. Lasa mitombo ny harerahana sy ny fotoana lany, mitombo ny vola aloa, misy ny kolikoly, ampahany amin’ireo olana sedrain’ny vahoaka mpila raharaha amin’ny sampandraharaham-panjakana ireo. Teo anatrehan’izany, nametraka ny Ivon’ny torohay na ny Ivotoro ny Fanjakana mba hanampiana ny olom-pirenena mikarakara antontan-taratasy eny anivon’ny biraom-panjakana. Amin’ny alalan’ity ivo-toerana ity, afaka manontany ny vaovao na ny torohay ilainy ireo mpila raharaha amin’ny sampandraharaham-panjakana, ka ny Minisitera misahana ny serasera no miandraikitra izany. Amin’ny ankapobeny, toy ireny ivo-toerana miantsehatra amin’ny asa an-tarobia ireny ny Ivotoro fa saingy kosa an’ny fanjakana, izany hoe « Centre de télé-conseil de l’Etat ».

Mitohy ny fanatanterahana Velirano.

Velirano fahatelo

Nanokatra ara-pomba ofisialy ity Ivon’ny Torohay ity ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriantongarivo, omaly. Nandritra ny lahateniny, omaly, nazava ny torolalan’ny Filohampirenena amin’ny sampandraharaham-panjakana, dia ny Fanjakana « manakaiky vahoaka, miasa ho an’ny vahoaka sy miady amin’ny kopikoly ». Fanatanterahana ny velirano fahatelon’ny Filoha amin’ny ady amin’ny kolikoly ihany koa, araka izany, ny fametrahana ny ivotoro. « Ny tsy fahalalana no miteraka ny kolikoly », hoy ny Filoha. “Matetika kitakita, tahotra, fivezivezena sy fandaniana vola sy fotoana ny fanatonana ny biraom-panjakana. Voatery miditra amin’ny kolikoly araka izany ny olompirenena hialana amin’ireo toejava-misy ireo. Hanova tanteraka ny fijerin’ny olompirenena sy fanaovan’ny olompirenena ny taratasy eny amin’ny biraom-panjakana anefa ny IVOTORO”, hoy hatrany izy.

Nahavita dingana ny Minisitera tomponandraikitra.

Mijoro ho mpanelanelana

Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tanjona kendrena amin’ny fametrahana ny Ivotoro ny fampiroboroboana ny zo hahazo vaovao. Eo koa ny fampahafantarana ny olom-pirenena amin’ireo antanatohatra arahina mandritra ny fikarakarana taratasim-panjakana, fanoroana hevitra sy fitarihan-dia ireo mpila raharaha amin’ny taratasy na raharaha karakarainy. Ny Ivotoro dia mijoro ho mpanelanelana eo amin’ny mpila raharaha sy ilay sampan-draharaham-panjakana raha toa ka misy ny olana, ary hampihena ny elanelana eo amin’ny Andrimpanjakana sy ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny serasera iombonana. Etsy ankilany, nanamarika ny minisitra fa fiarahamiasa teo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina no anisany angady nananana sy vy nahitana izao vokatra lehibe izao.

Ny talen’ny Ivotoro, Randrianarivo Harimé Sylvia.
Mpiasa 34

Misokatra amin’ireo sehatrasam-panjakana tsy ankanavaka ireo mpiasa mampihodina ny Ivotoro, ary saika ho hita ao avokoa ireo raharaha matetika hisedrana olana ny fikarakarana antontan-taratasy ao aminy. Nanambara ny Talen’ny Ivotoro, Randrianarivo Harimé Sylvia, fa efa misy fiarahamiasa matotra eo amin’ny Ivotoro sy ireo sampandraharaham-panjakana amin’ny fahazoana ny torohay, hiasana eo anivon’ny Ivotoro. “Mba hahazoana ny torohay, dia manatona eny amin’ny minisitera sy ny biraom-panjakana izahay, efa misy taratasy fenoina entinay eny, mahakasika ireo tokony homanin’ny olona raha hikarakara antontan-taratasy izy, sy ny sisa”, hoy izy. Hatreto, 34 ny fitambaran’ireo mpiasa mampihodina ity. Efa nandalo fiofanana daholo ireo mpiasa ao an-toerana. “Malagasy avokoa ny namolavola sy ny niketrika ireo fitaovana hampiasaina eo anivon’ny Ivotoro, toy ny “Logiciel Isabelle”. Efa talenta nananantsika teto hatramin’izay ireo fa izay vao voatrandraka”, hoy hatrany ny fanazavana.

Sampandraharaha telo

Misy sampandraharaha telo eo anivon’ny Ivotoro, araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. Voalohany ny sampandraharaha misahana ny fanangonana ireo tahirin-kevitra (Service Collecte des Données) izay manangona ireo vaovao na “ita” rehetra ilaina miainga eny amin’ny rantsana isan-tokony, minisitera sy ny sisa. Faharoa, ny sampandraharaha misahana ny Torohevitra sy tari-dia (Service Conseils et Orientation) izay hanoro lalana ireo mpila raharaha amin’ny dingana rehetra tsy maintsy arahina. Ary farany, sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso sy ny tombana (Service Suivi et évaluation) izay hitondra ary hampiakatra amin’ny dingana ambony kokoa ny fangatahana nataon’ny mpila raharaha raha sanatria misy ny tsy fahafaham-pony tamin’ny tolotra. Azon’ny rehetra atao ny miantso ny eo anivon’ny Ivotoro amin’ny laharana 640 amin’ny sarany mirary, manomboka amin’ny 8 ora maraina hatramin’ny 4 ora hariva, ny Alatsinainy hatramin’ny Zoma. Amin’io fotoana io no hanomezan’ireo mpiasa mampihodina ny Ivotoro ny fanazavana rehetra ilain’ny mpila raharaha iray.

Andininy faha-11 ao amin’ny Lalàmpanorenana: Zo hahazo vaovao

Anisan’ny firenena mametraka ho laharam-pahamehana ny fahalalahana maneho hevitra sy fahazoam-baovao I Madagasikara. Voafaritry ny andininy faha 11 ao amin’ny lalam-panorenan’ny Repoblika fahefatra fa manana zo feno hahazo sy hanana vaovao amin’ny endriny rehetra ny olom-pirenena tsy ankanavaka.Tafiditra ao anatin’ireo hevi-dehibe mamaritra ny Politika Ankapoben’ny fanjakana (PGE), izay efa nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny minisitra sy ny Governemanta, ny tokony hampihenana ny elanelana misy eo amin’ny mpila raharaha amin’ny andrim-panjakana na sampan-draharaham-panjakana, ary tokony hanana fahalalahana hisitraka ny vaovao sy ny ita (information) ilainy ny tsirairay.

Fermer