Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
AFROBASKET FIBA 2021: Hifanandrina anio ny Tonizianina sy ny ekipam-pirenana malagasy
Nanomboka afakomaly ny fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika amin’ny lalao Basket-Ball, taona 2021, tanterahina any Kigaly, renivohitr’i Rwanda. Hanantanteraka ny lalaony voalohany hifanandrinana am-dry zareo Tonizianina ny mpikatroka Basket malagasy, anio. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona io lalao io. Tsara ho fantatra fa ao amin’ny vondrona A no misy ny ekipam-pirenena malagasy, izay hahitana an’i Tonizia, ny Repoblika Demokratikan’i Kongo ary ny Repoblika Centrafrikanina. Marihina fa nigadona tany Kigaly, afakomaly, ny delegasionina malagasy hiaro ny voninahim-pirenena mahakasika ity taranja ity.
Ravelomantsoa John, Môry Françis Ramanampamonjy, Solondrainy Arnold, Loubacky Ricky Ley, Faralahy Monja Romain, Mnadimbison Constant Fabrice, Ratianarivo Livio Rocheteau, Botou Vellery Olivier, Randriamampionona Elly, Ralison Andriantsoa Hajamaminiaina, Ramarosata Solonirina na i « Danz » mirefy 1,71 m izay anisan’ny kely indrindra ary Lahontan Rija, no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy. Lahotan Rija izay nafarana manokana avy any Lafrantsa hanatevina ny ekipam-pirenena. Marihina fa maro ireo mpilalao malagasy mahatratra 1,98 m mandrafitra ny ekipa. Tsy hitsangantsangana no anton-dia any an-toerana fa hanoratra tantara ho an’ny firenena malagasy, raha nanambaran’ny kapitenin’ny Ekipam-pirenena, Olivier Botou. Tanjona ny hisongadinana manolona ireo mpifanandrina hafa, ary indrindra indrindra ny handrombahana ny amboara, hoy ny tenany.



