Trangam-piaraha-monina

DORO TANETY TAO MALAIMBANDY: Lehilahy iray nosamborin’ny Zandary

Mirongatra tanteraka ary anisan’ny mahatonga ny tsy fahampian’ny orana sy ny faharitran’ny rano amin’izao fotoana ny doro tanety eto amintsika. Omaly, tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena ny lehilahy iray nahavita nandoro tanety  tao Ankilivato, Distrikan’i Malaimbandy. Teny andalana, nandalo iny lalam-pirenena faha-35, mihazo ny tanànan’i Malaimbandy iny ireo zandary no nahatsikaritra doro tanety teo amin’ny tanànan’i Ankilivato. Nanatona nijery ifotony ny zava-nisy ireto farany ary niezaka nifehy ny afo. Nandritra izany, sarona teo amin’ny toerana nitrangan’ny io fandorona io ny lehilahy iray tokony ho 30 taona.  Nanao ny fanadihadihana ny  Zandary tao an-toerana ka niaiky ny heloka vitany io lehilahy iray io. Vokany, notanan’ny mpitandro filaminana avy hatrany ity farany ary atolotra ny fampanoavana tsy ho ela, raha ny tatira ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana.  Ankoatra izay,  nampahatsiahy ireo mponina ny zandary fa voararan’ny lalàna, na inona antony na inona antony, ny fandoroana tanety. Misy fiantraikany mivantana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy amin’ny tontolo iainana iray manontolo izany ka manimba ny fiainan’ny zanak’olombelona.

Fermer