PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
ADY AMIN’NY COVID-19: Nisafidy ny hanao lohalaharana ny CVO+ ny Fanjakana
Araka ny nambaran’ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, tamin’ity herinandro ity, dia tsy ho isan’ireo firenena hanafatra ny Vaksiny avy any ivelany iadiana amin’ny Covid-19 i Madagasikara hatreto, ary mbola manome vahana hatrany ireo voka-pikarohana sy fitsaboana ny Covid-19 vita eto an-toerana.
Noresahina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia teo ny mahakasika ny fisian’ny vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 any ivelany ankehitriny. “Covax Facility”, io no anaran’ilay hetsika manerantany ao anatin’ny fampiroboroboana ity vaksiny iadiana amin’ny Covid-19 ity. Araka ny fanadihadiana, firenena andalam-pandrosoana miisa 92 no vinavinaina hisitraka ity vaksiny ity, ary tafiditra ao anatin’izany i Madagasikara. Saingy nisafidy ny hanao lohalaharana ny vokatra avy eto an-toerana ny Fanjakana malagasy, isan’izany ny CVO+. Tsara ho fantatra fa mbola manana hatramin’ny 07 Desambra ny Fanjakana malagasy hanekena na handavana ity vaksiny ity, saingy hatreto, na ny Filoha Andry Rajoelina, na ny Governemanta dia miray feo ny amin’ny tokony hanomezan-danja hatrany ireo fitsaboana efa vitantsika teto an-toerana.

Fantatra, araka izany, fa tsy mbola nanaiky ny ho isan’ireo firenena hanafatra ity vaksiny ity i Madagasikara. Nilaza ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, raha nanontanian’ny mpanao gazety vahiny, tamin’ity herinandro ity, fa nisafidy ny hanome lanja ny fanafody vokarina eto Madagasikara ihany ny Governemanta hatreto, isan’izany ny vokarin’ny orinasa Pharmalagasy, dia ny CVO+ izany. Etsy ankilany, mbola hijery ihany koa ny Fanjakana, ny mety ho fahombiazan’io vaksiny any ivelany io na tsia, any amin’ireo firenena hampiasa azy voalohany.
Nahomby ny antsika
Tsikaritra ho mandresy lahatra ankolaka an’i Madagasikara amin’ny tokony hanafarana ity vaksiny ity ny eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Ny zavatra tsy azo adinoina anefa dia anisany niaro sy nitsabo betsaka ny Covid-19 teto amintsika ny voka-pikarohana teto an-toerana ihany. Anisan’izany ny Tambavy CVO na ny Covid-Organics, izay nozaraina tamin’ny Malagasy maherin’ny fito tapitrisa. Antony lehibe iray tsy nampihanaka ny valanaretina teto amintsika izany. Teo koa ny CVO+ izay vokarin’ny orinasa Pharmalagasy. Ary misy koa tsindrona efa nampiasaina amin’ny fitsaboana ny Coronavirus eto amintsika. Midika izany fa tsy misy mihitsy antony tokony hanafarana vaksiny avy any ivelany raha toa ka efa nahomby ihany ny fitsaboana vita avy eto an-toerana, efa natao hatramin’izay.




