SamihafaSongadim-baovaoSosialy

TOETRANDRO: Hanomboka hisy ny rotsak’orana amin’ny herinandro

Tsy misy tsy mitaraina amin’ny fiakaran’ny maripana miompampana eto Antananarivo ny rehetra. Tsy eto afovoan-tany ihany anefa, fa ny tapany andrefan’ny Nosy rehetra iny koa dia misedra olana goavana noho ny hafanana. Omaly, nanambara ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetrandro fa hanomboka hiova ny atmosfera ny herinandro ho avy io, ary hanomboka hisy miandalana ny rotsak’orana.

Manodidina ny 31 hatramin’ny 40°C ny maripana farany ambony teto andrenivohitra tato anatin’ny andro maromaro izay. Maripana izay tsapa ho ambony tokoa, na efa fotoam-pahavaratra aza no misy antsika ankehitriny. Etsy ankilany, miakatra 5°C amin’ny maripana nahazatra hatramin’izay ny any amin’ireo toerana hafa eto Madagasikara, raha ny fanazavana. Tafiditra ao anatin’izany ny Faritra amin’iny tapany andrefan’ny Nosy rehetra iny, ahitana an’I Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, sy ny sisa. Izany hoe, saika miaina ao anatin’izay hafanana be izay avokoa araka izany ireo faritra rehetra manerana ny Nosy.

Orana artifisialy

Antony maro no mahatonga izany, araka ny angom-baovao. Anisany voalohany mahatonga izany ny fahasimban’ny tontolo iainana amin’ny ankapobeny, noho ny fahamaroan’ny doro-tanety, ny tevy ala, ny fandorana biriky, ny setroka avoakan’ireo orinasa vaventy sasany. Nambaran’ny teknisiana eo anivon’ny sampana mpamatatra ny toetrandro, fa ny sosona ozona sy ny atmosfera mandrakotra ny ila-bola-tany misy an’I Madagasikara no mampiakatra hatrany izay maripana izay. Eo koa ny tsiokan-drivotra nitondra fahamainana avy any atsimo atsinanana. Misy fiantraikany amin’ny fiavian’ny orana anefa izany rehetra izany, raha ny fanazavana. Nanapa-kevitra araka izany ny teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, ny handefa orana artifisialy any Andekaleka sy Tsiazompaniry, hanomboka amin’ny 01 Desambra izao. Tanjona ny hanampiana tosika ireto toby mpamokatra herinaratra sy ranon’ny jirama. Ho an’I Fianarantsoa, amin’ny fiandohan’ny Desambra koa no mety ho feno ny fepetra hanaovana ny fandatsahana orana. Na izany aza, efa mandinika ny tokony ho atao ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao.

Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, Nirivololona Raholijao, tokony ho amin’ny fiandohan’ny volana Desambra no hiditra tsikelikely ny volonandro fahavaratra, miaraka amin’ny orana izay ho avy miandalana koa. “…iainga avy any Atsimo ny oram-pahavaratra, araka ny vinavina. Izany hoe, any amin’ny Talata sy Alarobia any dia tokony hahazo rotsakorana ny ety afovoan-tany”. Na eo aza anefa ny fiavian’ny orana, mbola vinavinaina hijanona eto amintsika io hafanana be io mandritra ny telo volana ho avy.

Fermer