SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ASA FANAOVAN-GAZETY: Nitohy tao Tsiroanomandidy ny fampahafantarana ny lf 2020-006

Anjaran’ny Faritra Bongolava no nandray ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny faran’ny herinandro teo, ao anatin’ny fampahafantarana ny lalàna vaovao mifehy ny serasera amin’ny haino Vaky Jery, laharana 2020-006. Tao an-tampon-tanànan’I Tsiroanomandidy no nanatanterahana ny fihaonana, ka mpanao gazety miisa 60 no nitafa tamin’ny ekipan’ny minisitera foibe tamin’izany. Nanontrona ny fotoana koa ireo mpisehatra sokajiana fa mpampihatra ny lalàna eo anivon’ny fiarahamonina, toy ny Mpitsara sy ny Polisy ary ny Zandary. Nanazava ny teo anivon’ny Minisitera fa efa teny nomena ny fampahafantarana ity lalàna ity amin’ireo iharan’ny lalàna sy ireo mpampihatra izany. Nanamarika ny tao amin’ny Faritra Bongolava manokana ny fanontanian’ireo mpanao gazety ny amin’ny mbola maha hery fahefatra ny asa fanaovan-gazety na tsia eto amin’ny firenena. Fotoana izay namalian’ny minisitera fa ny lalàna laharana 2020-006 no anisany hamerina indray izany hasin’ny asa fanaovan-gazety izany, amin’ny maha hery fahefatra azy. Mifanindra an-dalana amin’izany koa ny fametrahana ny holafitry ny mpanao gazety amin’ny toerana tokony hisy azy. Izany hoe, ity lalàna 2020-006 ity dia natao hiantohana tanteraka ny fahalalahana manao gazety tsy amin-tahotra.

Fermer