KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

FAMAKIAM-BOKY: Nitohy tao Bongolava ny hetsika “Ndao hamaky boky”

“Fandaharanasa isan’ny omen’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina lanja ny fanentanana ny olona indray hiverina hamaky boky”, hoy ny Tale jeneralin’ny Serasera, Reyna Rabiaza. Izy izay nitarika ny delegasion’ny Minisitera nandritra ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Bongolava, ny faran’ny herinandro teo. Araka izany, notanterahana tao Tsiroanomandidy indray ny hetsika Ndao hamaky boky, tamin’ny alalan’ny fitalevam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Bongolava sy ny fikambanana Faribolana Sandratra ary ny fikambanana bongolava antsitrapo. Hetsika izay natao indrindra hampiroborobona ny famakiana boky. Nandritra izany koa no nampahafantaran’ny mpanoratra Fanja Razah ny bokina sombin-tantara izay nosoratany, mitondra ny lohateny hoe “Tsoakahitra”. Ankoatra izay, nizara tamin’ny mpanatrika ireo « fomba famakiana teny miaina » i Ranoe, mpandrindra nasionalin’ny faribolana sandratra. Tsara marihana fa saika tanora avokoa ny nanatrika ny fotoana. Noho izany, ankoatra ireo karazana fampahafantarana sy fanentanana momba ny famakiam-boky dia nisy koa hira, Slam, ary poesy nandravaka ny fihaonana tao Bongolava.

Fermer