Fanadihadiana Manokana

FANAOVANA MALOTO AN-DALAMBE : Olona 549 no tra-tehaka tao anatin’ny telo volana

Tao anatin’ny telo volana nanomboka ny volana aogositra ka hatramin’ny novambra ity, nahatratra 549 ireo tratra nanao maloto an-dalam-bahoaka saron’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Mbola maro ny ezaka avy amin’ny sarambambem-bahoaka sy ny fampahafantarana tokony hataon’ny Kaominina Antananarivo renivohitra...

Maorbe ireo manao maloto ankalamanjana tahaka izao.

Ny olon-drehetra dia samy eo ambany lalàna avokoa. Raha ny antontanisa avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra, momba ny fandikan-dalàna, mahatratra 549 ireo tra-tehaka mivalan-drano an-dalam-bahoaka, nanomboka ny 24 aogositra ka hatramin’ny novambra 2020. Tamin’io fotoana io ihany, nahatratra 136 ireo tratra nanasa lamba tamin’ny toeram-bahoaka, 84 ireo sarona nanasa fiara tamin’ny toeram-bahoaka sy teny an-dalambe. Tsy latsa-danja amin’izay koa ny fanesorana ireny kioska eny amin’ny lalam-bahoaka satria nahatratra 66. Nahatratra enina kosa, ireo nambidirina am-balan-tsazy sy fanakatonana ireo “bouffe-mobile”. Raha ireo antontanisa ireo, efa mihatra avy hatrany ny fampiharana ny fikoloam-pahasalamana. Na efa mipetraka aza ny fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana, tsikaritra fa mbola tsy mipaka eny amin’ny vahoaka eny ifotony ny momba izy ity, indrindra amin’ny fiainana andavanandro. Fitsipika mifehy ny tanàna an’Antananarivo nanomboka ny fanjanahantany ka mitohy amintsika amin’izao fotoana izao. Ny taona 2013, no natambatra ireo karazan-dalàna ireo, ka mahatratra 200 ny andininy ao amin’ny lalàna mifehy ny  Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana na ny  CMH, ka ny 31 tamin’io no nasiam-panitsiana, mba hifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny.

Hatramin’ny 5 Tapitrisa Ar ny sazy…

Marobe ireo fandikan-dalàna miseholany eto an-drenivohitra.

Tomponandraikitra ny olo-pirenena tsirairay momba ny fanajana sy ny fampiharana ny Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana na ny  CMH. Ny ben’ny Tanana amin’ny maha tomponandraikitra voalohany azy no  tomponadraikitra amin’ny fanirahana sy fampahafantarana amin’ny tranga tsy fanarahan-dalana tomponandraikitra isan-tsokajiny; toy ny  Polisy nasionaly; polisy monisipaly sy ireo voatokana hanao izany, amin’ny fitanana an-tsoratra ireo tsy fandikan-dalàna. Isan’ny voakasika amin’ny Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana, ny Fanajana ny tontolo iainana sy ny fotodrafitrasa; eo koa  ny tsena, izay tsy tokony hivarotana eny amoron-dalana ka mibahana eny an-dalambe. Tafiditra ao koa ny orinasa amin’ny fanariana ny maloto, mety hitrangana ny korontana ara-pahasalamana. Ny fitaterana sy ny lalam-bahoaka, izay manjary sady toerana fanaovana fanadiovana, toeram-piantsonana no toerana fandalovana. Anjaran’ny avy ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra no mandrindra sy mandamina, araka ny  voalaza ao anatin’ny CMH.

Nambaran’ny Commissaire Principal de Police Whess Ostrom lehiben’ny Polisy monisipaly fa «  misy sokajy dimy  ny sazy vono dina ampiharina ho an’ireo tsy manara-dalàna ka manomboka amin’ny 5 arivo ariary ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar. Efa misy ny fampahafantarana ireo lalàna ireo ary efa mihatra. Na izany aza, misy hatrany ny fepetra sy fanentanana ho an’ny olom-pirenena momba ny Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana na ny  CMH ». Efa misy ny andrin-kafatra napetraka amin’ny sarety, ohatra. Misy ny fampahafantarana amin’ny fiara, ary misy koa ny peta-drindrina napetraka teny amin’ireny tsena lehibe ireny, momba ny fampahafantarana ny atao sy ny tsy tokony hatao. Ankoatra ireo, efa nisy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra isan-tokony, moba ny Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana. Notsindrian’ny Lehiben’ny Polisy monisipaly fa manodidina ny 1000 ireo tomponandraikitra efa nisitraka izany. Isan’ny nahazo izany fiofanana izany, ny tomponandraikitry ny mpampihatra lalàna sy ny eny anivon’ny Fanjakana isan-tokony.

Manjavozavo ny andraikitry ny sefo fokontany

 

Andraikitry ny kaominina ny asa fanadiovana tahaka izao. (Sary kaominina Antananarivo))

Marobe ireo sefo fokontany no te handray andraikitra mivantana amin’ny fampiharana ny Fehezam-pitsipika monisipaly momba ny fikoloam-pahasalamana. Eo amin’ny lafiny tsena, ohatra, dia zary lasa ifanilihana ny amin’ny fanadiovana, indrindra ireo tsena tsy manara-dalàna. Nambaran’ny tomponandraikitra iray, eny anivon’ny fokontany, fa te handray andraikitra izy ireo, nefa toa manjavozavo azy ireo, satria ny avy any amin’ny distrika no manendry azy ireo, ka zary lasa misy ny fialangalanana indraindray. Notsindrian’izy ireo fa raha misy ny fandaminana ataon’ny lehiben’ny Tsena, dia tokony handalo eny anivon’ny Fokontany, saingy indraindray, tsy izay no zava-mitranga. Ho an’ny fitakiana « ticket », indraindray ny avy any amin’ny Kaominina no miandraikitra azy, saingy ny avy amin’ny fokontany no lasa manadio. Isan’ny angatahin’izy ireo mazava tsara ny andraikitry ny tsirairay, isorohana amin’ny fifanilihana andraikitra.

Fermer