SamihafaSongadim-baovaoSosialy

« CAISSE ECOLE » – TAONA 2021: Hanokana tetibola 50 miliara mahery ny Fanjakana

Mbola fanamby mipetraka ho an’I Madagasikara ny fampiakarana ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly. Efa azo tsapain-tanana tanteraka anefa ny ezaka ataon’ny Fanjakana ankehitriny amin’ny fahatrarana izany. Isan’izany ny fampiakarana ho 400% ny tetibola natokana ho an’ny « Caisse école » amin’ny taona ho avy io. Izany hoe nampiakarina ho 50 miliara ariary izany raha toa ka 19 miliara tamin’ity taona ity.

Fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana malagasy hanamaivanana ny vesatry ny ray aman-dreny ny fanokanana tetibola manokana hanampiana ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Efa nisy izany tamin’ity taona 2020 ity,  saingy nitondra fanatsarana kosa ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ho an’ny taona 2021. Nanamafy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena,  ny Dr Marie Michelle Sahondrarimalala, fa anisan’ny tanjona napetraky ny Filohan’ny Repoblika sy ny Lehiben’ny Governemanta, ny firosoana amin’ny fanaovana ny fanabeazana ho maimaimpoana. Fanapahan-kevitra noraisina , noho izany, ny fampiakarana ho 400% ny tahan’ny tetibola omena ho an’ny “caisse école”. “Raha 19 miliara ny “caisse école” tamin’ny tetibola 2020, dia nampiakarina hatramin’ny 50 miliara mahery izany, hahafahana manampy ireo ray aman-dreny amin’ny fampidirana an-tsekoly”, hoy ny fanazavany.

Efa nalefa eny amin’ny Banky

Araka ny fanadihadiana, vary 100 kapoaka, miaraka amin’ny vola 15 000Ar, no omen’ny ray aman-dreny iray ny mpampianatra eny anivon’ny sekoly isan-taona. Toe-javatra izay hita ho mavesatra tanteraka ho an’ireo ray aman-dreny, indrindra ho an’ireo any ambanivohitra. Mbola nanampy trotraka koa anefa ny fiantraikan’ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Antony tsy maintsy nandraisan’ny Fanjakana ireo fepetra rehetra mifanaraka amin’izany. Manomboka izao, noho izany, nanapa-kevitra ny Fanjakana ny handoa io latsakemboky ny ray amandreny io. Ka hanomboka amin’ny taona 2021 dia homena amin’izay tetibola izay ireo mpampianatra ENF, sy mpampianatra Fram mahazo famatsiana avy amin’ny Fanjakana na tsia. “Ho an’ny Fanjakana foibe manokana dia efa nalefa any amin’ny banky isankarazany ny vola, ka fandaminana eny anivon’ny Dren sy ny Cisco no manaparitaka izay “caisse école” izay, satria efa misy tetiandro napetrak’ireo banky marobe manaparitaka izany manerana an’I Madagasikara”, hoy ny Minisitra. Hisitraka ity fanampiana ity daholo ireo sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Saingy mety tsy hiaraka tonga kosa ny “caisse école” eny anivon’ny sekoly tsirairay fa miankina amin’ny tetiandro. Notsindrian’ny Minisitra anefa fa efa maro no nahazo izany.

Fermer