PolitikaSongadim-baovao

ADY AMIN’NY KOLIKOLY ETO MADAGASIKARA : Niadian’ireo senatera hevitra ny lalàna mifehy ny PAC

Vaovao mitàna ny sain’ny maro ny mahakasika ilay tolo-dalàna laharana 01-2020/PL manova sy mameno ary manafoana ny andininy sasan-tsasany ao amin’ny lalàna mifehy ny rafi-pitsarana iadiana amin’ny kolikoly. Nafana ny adihevitra tao amin’ny Antenimieran-doholona, mahakasika izany omaly. Fotoana izay natrehin’ireo tomponandraikitry ny samihafa eo anivon’ny PAC, notarihin’ny mpandrindra nasionaly.

“Hadisoana nataon’ny Fitondrana HVM ny fananganana ny PAC sy ny HCJ”, hoy ny Loholon’I Madagasikara, Botomanovatsara, omaly, nandritra ny adihevitra momba ny tolo-dalàna mitondra ny laharana 01-2020/PL manova sy mameno ary manafoana ny andininy sasan-tsasany ao amin’ny lalàna laharana n°2016-021, natao ny 22 Aogositra 2016, mahakasika ny «pôle anti-corruption », izay naroson’ny Solombavambahoakan’Ampanihy Andrefana, Idealison. Tamin’ny ankapobeny, niombon-kevitra tamin’ity tolo-dalàna ity ny tenany, ary nilaza fa tokony ho foanana mihitsy aza ireo rafi-pitsarana manokana iadiana amin’ny kolikoly ireo fa tokony haverina amin’ny rafi-pitsarana tsotra ny raharaha kolikoly rehetra. Araka ny nambarany hatrany, vao maika aza mampisy kolikoly eo amin’ny tontolon’ny Fitsarana ny fisian’ireny rafi-pitsarana manokana ireny.

Tetsy ankilany, nilaza koa ny Senatera Honoré Rakotomanana, no sady mpahay lalàna, fa tsy tokony ho biby fampitahorana ny PAC. Nambarany fa tokony hijanona amin’ny maha rafitra mpitsara araka ny lalàna azy fotsiny ihany ny PAC. Ary koa, tokony hatsahatra ny fampidirana am-ponja vonjimaika isaky ny misy olona voaantso eny amin’ny PAC. Notsiahivin’ity senatera ity fa zava-dehibe ny fiarovana ny zon’ny olona mbola tsy voatsara, amin’ny raharaham-pitsarana, ka tokony ho lanjalanjaina hatrany ny didy avoaka. Izy izay nilaza koa fa tokony ho jerena tsara ireo singa mandrafitra ny hadisoana voalaza fa nataona olona iray, mba ho tena ilay nanao ny hadisoana no voasazy fa tsy olona tsy manan-tsiny. Araka izany, tokony hodinihana akaiky ireo andraikitra tokony ho sahan’ity rafi-pitsarana ity mba tsy hampisy ny savorovoro eo amin’ny fanatanterahana ny asany.

Tokony hiroso hatrany ady amin’ny kolikoly 

Marihana fa nanaovana dinika fampiantina na « séance d’imprégnation » omaly Alarobia 02 desambra 2020 ity tolo-dalàna ity. Tonga teo anivon’ny Antenimierandoholona araka izany ireo mpikambana eo anivon’ny «Pôle anti-corruption » na « PAC ». Nitondra fanazavana Rtoa Ratiaraisoa Harimahefa mpandrindra nasionalin’ny « PAC » amin’ny fomba fahitan’izy ireo ny fanitsina vitsivitsy izay nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nambarany fa ilaina tokoa ny fanatsarana ny lalàna hanatsarana ny tontolo entina miady amin’ny kolikoly ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’izany izy ireo, satria izany rahateo no antoka amin’ny fampandrosoana ny firenena, saingy ilaina kosa ny tokony handinihina tsara ireo fanovana tokony hatao amin’izany, hoy izy, mba tena hirosoan’ny ady atao amin’ny kolikoly marina eto amintsika. “tokony hifanaraka amin’izany ihany koa ireo fanovana atolotra amin’ireo fanitsiana atao amin’ity lalàna ity”, hoy hatrany izy.

Fermer