
Trangam-piaraha-monina
FAMERENANA FITAOVAM-PIADIANA: Natolotra teny Andohalo ny vokatry ny ZRPS Alpha 2 sy Bravo
Mitohy hatrany ny famerenana basy eny am-pelatanan’ireo dahalo. Namokatra, araka izany, ny fampandriana fahalemana, araka ny baikon’ireo tompon’andraikitra amin’ireo ZRPS naparitaka manerana ny Nosy, ka nahazoana basy maro sy bala avy tamin’ny ZRPS Alpha2, sy ZRPS Bravo, tao anatin’izao roa volana faran’ny taona izao. Fitaovam-piadiana mahery vaika dimy, Fusil d’assaut, Mass-36 efatra, basim-borona telo, ary ny basy vita tanana nisy 29, « Pistolet automatique » vita tany an-toerana, nisy 58, ho an’ny ZRPS Alpha 2. « Fusil d’assaut » dimy, Mass-36 dimy, basim-borona miisa efatra, basy vita tanana miisa 25, no vokatra avy amin’ny ZRPS Bravo. Niampy bala 7,5mm miisa 13 izany, tranom-bala 7,62mm miisa 26, bala vita tanana miisa enina, ary taimbala iray balan’ny miaramila izy io. Nambaran’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika malagasy, Jeneraly Rabenaivoarivelo Claude, fa nangonina tany amina toerana nahatrarana azy aloha, ny basy. Haseho toy ny omaly, eny amin’ny Etamazaoron’ny Tafika Andohalo ny basy, hanaovana taratasy alohan’ny hanaterana azy eny amin’ny trano fitehirizana. Potehina ny basy, toy ny efa fanao teo aloha, aorian’izay. Nankasitraka ireo tompon’andraikitry ny ZRPS roa, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika. Tsy mora ny maka fitaovam-piadiana any amin’ireo fahavalo, fa misy hatrany ny aina nafoy, na miaramila na sivily. « Tsy hampikoso-maso ny baiko midina ny ezaka efa natommboka, saingy hiainana ny filaminana eto amin’ny firenena. Manentana ny fiaraha-miasan’ny miaramila any an-toerana, ny Polisy sy Zandary, fa indrindra tompon’andraikitra ara-panjakana any an-toerana, amin’ny fitohizan’ny fifanomezan-tanana », nanamafy ny CEMA. Haseho imasom-bahoaka toy izao ireo basy, hahatsapan’ny maro fa mangarahara ny famerenana azy ireny, antony nandisoan’ny CEMA ny resaka mandeha any an-tambazotran-tserasera.





