PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
“ORTM MIBANJINA NY AMPITSO”: Nohavaozina ho maoderina tanteraka ny RNM sy ny TVM
Tao anatin’ny roa taona latsaka, fanavaozana tanteraka no nataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny teo anivon’ny Ofisin’ny Radio sy Televiziona malagasy (ORTM). Niova tanteraka ny fandraisana ity orinasam-panjakana ity ankehitriny. Omaly no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ireo asa fanavaozana ireo. Fotoana izay notronin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta sy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo, ary ireo mpikambana sasany eo anivon’ny Governemanta.

Ny janoary 2019, fotodrafitrasa simba sy fitaovana tranainy no nisy teo anivon’ny ORTM, hoy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Teo anatrehan’izany, nilofo ny ekipan’ny minisitera ankehitriny tamin’ny asa fanavaozana. Amin’izao fotoana izao, nahavita efitrano fitenenana (Studio) lehibe telo ny ORTM. Teo koa ireo “plateau” vaovao fanolorana fandaharana, toy ny hita amin’ny fandaharana adihevitra, ny vaovao an-tsary, ny fandaharana isa-maraina “karakory antsika jiaby”. Nohajariana ihany koa ny atiny sy ivelan’ny trano rehetra mba tsy ho mena-mitaha amin’ny hafa, hoy ny fanazavana. Fanavaozana nentina ihany koa ny fanamboarana ny votoatin’ny fandaharana, na amin’ny fahitalavitra izany na amin’ny onjampeo. Ho an’ny Televiziona malagasy manokana, isany fandaharana vao natao taty aoriana ny “Ahitsio ny diso”, izay natao indrindra hanitsiana ireo teny diso fampiasa andavanandro. Fandaharana vaovao koa ny “tsy mavozo birao”, izay hitaizana ny olom-pirenena amin’ny fidirana biraom-panjakana. Mbola maro koa ireo fandaharana ara-kolontsaina misy eo amin’ny TVM. Ho an’ny Onjampeom-pirenena, isany fandaharana vaovao ny “tsy ho tompon-trano mihono”, izay hiarahana amin’ny mpitondra tenin’ny Governemanta. Tsara marihana fa nahazo efitrano fitenenana vaovao ihany koa ny RNM, raha toa ka tsy nanana izany nandritra ny taona maro. Efa nivadika “stereo” tanteraka ihany koa ny feo anivon’ny RNM amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ireo fanavaozana maro hafa.
Hametrahana Mozea
Nisy koa fanavaozana natao tamin’ny fitantanana ankapobeny teo anivon’ity orinasam-panjakana ity. Ankoatra izay anefa, manana vinavina ny hametraka karazana “dome” na toerana fanaovana fampisehoana ny ORTM. Mifanindra an-dalana amin’izay ny fametrahana ny Mozean’ny haino aman-jerim-panjakana ny “Musée de l’audiovisuel public”, izany hoe vakoka hitarihizana ireo tsy tontan’ny elan’ny radio sy ny televiziona. Midika izany fa ireo fitaovana tsy ampiasaina intsony amin’izao fotoana ireo dia hotahirizina ao amin’ny mozea. Hatao ao koa ireo horonantsary na horonam-peo efa ela sy tranainy ka tokony ho tahirizina.
« Manova ny tantaran’ny firenena isika »
Tonga nanome voninahitra ny lanonana omaly, ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, « Manova ny tantaran’ny firenena isika », hoy ny Praiminisitra ka « mandray anjara amin’izany tanjona lehibe izany ny sampandraharaha ara-panjakana rehetra ». Nambaran’ny Praiminisitra fa maro ireo fanamby miandry antsika raha tiana hapetraka sy haverina indray ny lazan’izany haino aman-jerim-panjakana izany, ary efa ezaka goavana ny fanavaozana natao mba hifanaraka amin’ny vaninandro ankehitriny ireo fitaovana ampiasaina.
« Andrarezin’ny haino aman-jery eto amin’ny firenena ny TVM sy RNM ; mba hahatongavana amin’izany anefa dia mila fanovàna ny fomba fisainana, mila atao mby an-tsaina lalandava fa ny fananam-panjakana dia fananam-bahoaka », hoy hatrany izy.
Teo am-pamaranana ny lahateniny, nankasitraka ireo ezaka efa nataon’ny ORTM sy ny ministera mpiahy azy ny Lehiben’ny governamanta, raha tsy hilaza afa-tsy ny fandraisana andraikitra nandritra ireny hamehana ara-pahasalamana ireny. Eo ihany koa ny fijerena ny fampitaovana ireo TVM sy RNM eny ifotony, toy ny fanavaozana ireo « plateau technique », ary ny fampitaovana « émetteur » vaovao izay mahenika distrika 75. Irariana, hoy izy, ny hitohizan’ny ezaka, indrindra amin’ny fanatsarana ny fitantanana, mba ho tena hisy fiantraikany eny amin’ny vahoaka ny asa rehetra hatao, ka ho reharehan’ny firenena ny fananana izany haino aman-jerim-panjakana izany.
Efa azo jerena amin’ny alalan’ny fomba hafa ankehitriny ny TVM fa tsy voatery amin’ny alalan’ny fahitalavitra mahazatra intsony. Efa azo atao tokoa mantsy ny mijery izany amin’ny alalan’ny “Application mobile”, amin’ny tranonkala sy ny tambazotra sosialy. Izany hoe, mandefa mivantana ao ireo fandaharana ao amin’ny TVM, ka azo atao ny mamerina mijery izany raha misy fandaharana tiana averina hojerena, araka ny fanazavana.



