Politika

MAMBRAN’NY GOVERNEMANTA: “Tokony haka ny toerana maha mpanao politika avokoa”

Ankoatra ny Filohan’ny Repoblika mivantana, dia ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, no sady mpitondra tenin’ny Governemanta irery ihany no hita sy re amin’ny haino aman-jery miezaka miaro ny Fitondram-panjakana sy ny politika ankapobeny entina hitondrana ny firenena ankehitriny. Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mahakasika izany indrindra ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly. Nambarany fa “ny Filohan’ny Repoblika dia nametraka fa ny Minisitra rehetra mpikambana ao amin’ny Governemanta, na dia teknisianina aza, dia mila manana ny « casquette » maha mpanao politika”. “Mba tsy ny Filohan’ny Repoblika, tsy ny minisitry ny Serasera, mba tsy ny Praiminisitra irery ihany no hiaro ny Fitondram-panjakana, sy hanazavana amin’ny olom-pirenena ny zavatra tsara sy ny ezaka ataon’ny Fanjakana”, hoy izy. Nohamafisiny fa tokony hamaly ireo tsikera ara-politika izay hita fa tsy mitombina entin’ny mpanohitra ireo mambran’ny governemanta rehetra. Ary tokony ho afaka miteny sy maka ny toerana maha mpanao politika avokoa ny mpikambana rehetra ao anaty Governementa.

Fermer