Toekarena

FIAKARAN’NY VIDIM-BARY: “Tsy ny fitotonganan’ny ariary no antony” hoy ny Praiminisitra

Namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety mahakasika ny fiakaran’ny vidim-bary ankehitriny ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly, tetsy Anosy. “Hiady isika amin’ny fampiakarana ny vidim-bary izay tsy mifanentana akory amin’ny vidiny hividian’ireo mpivarotra azy. Hisy fivoriana izay hatao tsy ho ela, hijerena ireo mpanararaotra amin’izao fotoana izao », hoy ny fanazavany. Efa misy ezaka ataon’ny Fanjakana amin’izao fotoana izao amin’ny fampidirana ireo vola vahiny eto amintsika, hoy izy. Eo koa ny ezaka hahafahana mitazona ny sandam-bola malagasy. Midika izany fa tsy mitombina ny filazana  fa antony mampiakatra ny vidim-bary ny fitotonganan’ny ariary. Tsara marihana fa efa miha mahazo lanja tsikelikely ny vola malagasy amin’izao fotoana izao.

Notsiahivin’ny Praiminisitra omaly fa ao anaty fotoana fambolem-bary isika izao. Fotoana ihany koa mampihena ny vokatra miakatra eto amin’ny tsena anatiny. Antony mety mampisy ny fiakaran’ny vidim-bary izany. “Na izany aza anefa, efa misy hatrany ny fanafarana vary ataon’ny Fanjakana. Mila hamafisina noho izany ny fanarahamaso mba tena hiditra eo amin’ny tsena tokoa ireo vary izay nafarana fa tsy natao hanararaotana ampiakaram-bidy”, hoy izy.

Fermer