Songadim-baovao

BUCAREST ROMANIA : Namiratra ny Zandary malagasy tamin’ny fandrantoam-pahalalana

Nivoaka ho "Major de promotion" tamin'ny fiofanana nahazoana ny "Diplôme d'État-major de la Gendarmerie" tany Bucarest Romania, ny Kap Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, “Aide de camp”-nAtoa Jly Ravalomanana Richard. Manamboninahitra ambony sy manamboninahitra avy amin'ny firenena enina no nandray anjara dia Madagasikara, Romania, Ukraine, Mali, Tonizia ary Moldavie, tamin’ity taona 2020 ity.

Nitondra avo ny voninahitry ny Zandarimaria ny Kap Toky A.

Izy no Kap Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, “Aide de camp”-n’Atoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, nivoaka ho « Major de promotion » tamin’ny fiofanana nahazoana ny « Diplôme d’État-major de la Gendarmerie » tany Bucarest Romania. Manamboninahitra ambony sy manamboninahitra avy amin’ny firenena enina no nandray anjara dia Madagasikara, Romania, Ukraine, Mali, Tonizia ary Moldavie. Nivoaka avy tamin’ny andiany faha-35 ny Akademia Miaramila Antsirabe tamin’ny taona 2014 izy. Nianatra tao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimaria ao Moramanga ary nivoaka ho « Major de promotion » tamin’ny taona 2015. Niasa ho lefitry ny Kaomandina vondron-tombim-paritry ny Zandarimaria tao aorian’izay, ary efa nibaiko saiholafy hery vonjy (PMP) ihany koa. Nanaraka fiofanana ivoarana hahafaha-mibaiko kaompania sy “escadron de gendarmerie” tao amin’ny École des officiers de la Gendarmerie nationale (EOGN) tany Ouakam Sénegal ary nivoaka ho « Major de promotion » ihany koa ny taona 2017. Firenena 13 no voasolo tena tao tamin’izany. Voatendry hiasa tao amin’ny Sekoly ambonin’ny Zandarimariam-pirenena ny taona 2018 ary nampianatra “Police judiciaire” sy “Tactique”. Manana ny « Certificate of criminal security course » avy ao amin’ny « Département de la Police militaire » tao Egypte ihany koa izy. Voatendry ho “Aide de camp”-n’Atoa Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena izy nanomboka ny Janoary 2019.

Fermer